FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/98 p. 1
  • Tsy Maintsy Miverimberina Mitsidika Isika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Maintsy Miverimberina Mitsidika Isika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanohy hitory ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Efa Niasana Imbetsaka Ange ny Faritaninay E!”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Nahoana Isika no Miverina Hatrany Foana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Aoka isika tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 12/98 p. 1

Tsy Maintsy Miverimberina Mitsidika Isika

1 Nandray tsara ve ianao tamin’ny fotoana voalohany niresahan’ny olona iray ny vaovao tsara taminao? Raha tsy izany, dia tsy maintsy ho velom-pankasitrahana ianao fa niverimberina nitsidika ny Vavolombelon’i Jehovah, mandra-panaikinao hianatra Baiboly tamin’ny farany. Tsara ny hieritreretanao ny amin’izany, rehefa miverimberina miasa ny faritany nanendrena anao ianao.

2 Miovaova foana ny fiainan’ny olona. Izy ireo dia miatrika zava-manahirana na toe-javatra vaovao, mandre zavatra mampikorontan-tsaina izay niseho maneran-tany na teo amin’ny fiaraha-monina, iharam-pahavoazana ara-bola, na miatrika aretina na fahafatesana ao amin’ny fianakaviana. Mety hahatonga azy ireo haniry hahafantatra ny anton’ireny fahoriana ireny ny zavatra toy izany. Tsy maintsy mahay manavaka isika hoe inona avy ireo anton-javatra mandreraka ny sain’ny olona, ary avy eo dia hilaza aminy hafatra mampionona.

3 Asa famonjena izy ity: Eritrereto ny asan’ireo mpamonjy tra-boina ao anatin’ny faritra niharan-doza. Mety hikaroka ao amin’ny faritra tsy ahitana olona nieren-doza afa-tsy vitsivitsy, ny mpamonjy sasany. Na dia izany aza, dia tsy mampihena ny fiezahany na mitsahatra izy ireo, satria hoe mahita nieren-doza maro kokoa any an-toeran-kafa ny mpamonjy namany. Mbola tsy nifarana ny asa famonjena ataontsika. Olona ana hetsiny maro izay maniry ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” no hita, isan-taona. — Apok. 7:9, 14.

4 “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”. (Rom. 10:13-15, NW ). Isika tsirairay avy dia tokony hahatakatra avy amin’ireo teny ireo, sady tokony handentika ao an-tsaina fa ilaina ny fikirizana amin’ny fitoriana. Hatramin’izay nahavitantsika voalohany ny faritanintsika izay, dia efa nihalehibe ireo ankizy, ary izao dia ampy taona hieritreretana amim-pitandremana momba ny hoaviny sy ny zava-kendren’ny fiainana. Tsy fantatsika izay hihaino, rehefa mandeha ny fotoana. (Mpit. 11:6). Mpanohitra maro fahiny no nanjary nanaiky ny fahamarinana. Tsy ny hitsara olona akory no asantsika, fa ny hanohy hanome azy ireo ny fahafahana hihaino ka ho voavonjy avy amin’ity tontolo tranainy ity. Toy ny nataon’ireo mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany, dia tsy maintsy “mankany” amin’ny olona hatrany isika, ary miezaka hanaitra ny fahalianany amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. — Matio 10:6, 7.

5 Noho ny fanehoan’i Jehovah famindram-po no mbola ahafahantsika mitory. (2 Pet. 3:9). Rehefa mamela ny hafa handre ilay hafatra imbetsaka isika, dia manasongadina ny fitiavan’Andriamanitra, ka midera azy amin’izany fomba izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara