Fanombohana Fampianarana Amin’ny Bokikely Takina
1 Asehon’ny tatitra maneran-tany fa fitaovana mahery mba hampianarana ny olona ny fahamarinana ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Fampianarana Baiboly an’arivony maro no atomboka amin’io bokikely io isan-kerinandro. Efa nahita fahombiazana tamin’ny fanombohana sy fitarihana fampianarana Baiboly tamin’ny bokikely Takina ve ianao?
2 Na dia hitan’ny ankamaroantsika aza fa mora ny mametraka ilay bokikely, dia hitan’ny sasany kosa fa sarotra ny mahafantatra izay holazaina mba hanombohana ilay fampianarana. Inona avy ireo fomba hitan’ny hafa fa ahitam-bokatra mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny fampiasana ilay bokikely Takina? Mety hanampy ireto fanoloran-kevitra manaraka ireto.
3 Asehoy ilay fomba fianarana: Afaka mampiseho ny fomba hitarihana ilay fampianarana Baiboly isika, fa tsy hanolo-kevitra fotsiny ny hampianatra Baiboly an’ilay tompon-trano, rehefa manao fitsidihana voalohany na fiverenana mitsidika. Hanaisotra ny zava-miafina omban’ny fanahiana izay ampifandraisin’ny tompon-trano maro amin’ilay teny hoe “fianarana”, izany. Rehefa avy nianatra ny fomba hampisehoana izany isika, dia ho hahita fa ho afaka hiditra avy hatrany amin’ilay fianarana isika, amin’ny fanaovana fampidiran-dresaka tsotra.
4 Ny fanomanana no fanalahidiny: Mifandray mivantana amin’ny fomba nanomanantsika tsara, ny hafanam-pontsika hoenti-manomboka fampianarana Baiboly. Hanampy antsika handresy izay rehetra mety ho fisalasalantsika handray anjara amin’ny asa fampianarana Baiboly, ny fanomanana mialoha. Hazoto hiresaka bebe kokoa isika, ho afaka hiresaka amin’ny fomba tsotra sy amin’ny fitenintsika manokana rehefa manao fanazaran-tena imbetsaka amin’ny fomba fampisehoantsika. Tsy vitan’ny hoe hanampy antsika ho tony fotsiny izany, fa hahatonga ilay tompon-trano tsy ho sakodiavatra koa.
5 Mahasoa ny mijery ny faharetan’ny fomba fampisehonao rehefa manao famerenana, mba hahafahanao hampahafantatra ilay tompon-trano ny faharetan’ilay fomba fianarana. Hoy ny rahalahy iray, rehefa avy nampahafantatra ny tenany: “Mitsidika anao aho mba hampiseho aminao ny fandaharam-pampianaranay Baiboly maimaim-poana. Haharitra dimy minitra eo ho eo ny hampisehoako izany. Manana dimy minitra ve ianao?” Azo aseho ao anatin’ny dimy minitra eo ho eo ny Lesona 1 amin’ny bokikely Takina. Mazava ho azy fa andinin-teny voafantina ihany no azo vakina ao anatin’izany fotoana izany, nefa amin’ny famitana ny lesona voalohany ao anatin’ny minitra vitsivitsy monja no hahafahan’ilay tompon-trano hanao ny fianarany voalohany. Avy eo dia ampahafantaro azy fa haharitra 15 minitra monja ny fianarana ny Lesona faha-2, rehefa hiverina ianao.
6 Hita fa mahomby izao fomba fampiseho izao: “Tiako ny hampiseho aminao ny fianarana Baiboly any an-tokantrano tena tsotra, nefa vita haingana, amin’ny fampiasana ity bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? ity. Maro no nahita fa ao anatin’ny 15 minitra monja isan-kerinandro mandritra ny 16 herinandro, dia afaka mahita ireo valiny mahafa-po avy ao amin’ny Soratra Masina, momba ireto fanontaniana lehibe ara-baiboly ireto izy ireo.” Asehoy vetivety ireo loha hevitra ao anatiny. Milazà toy izao, rehefa mijery ny Lesona 1: “Ho faly izahay hampiseho aminao ny fomba fanaovana izany, raha afaka manome anay dimy minitra eo ho eo ianao. Toy izao ny lohatenin’ny Lesona 1: ‘Ny Fomba Ahafahanao Mahafantatra Izay Takin’Andriamanitra’.” Manaraka izany dia vakio ireo fanontaniana telo, ary hazavao ireo tarehimarika ao anaty fononteny. Vakio ny fehintsoratra voalohany, ary asehoy amin’ilay tompon-trano ny fomba hahitana ny valiny. Azo atao ny manasa an’ilay tompon-trano hamaky ny fehintsoratra faharoa. Avy eo dia milazà toy izao: “Miorina amin’io fanazavana io, ahoana no hamalianao ity fanontaniana ity? [Vakio indray ilay fanontaniana, ary avelao ilay tompon-trano hamaly.] Ho voamarikao fa misy andinin-teny mifandray amin’ny fehintsoratra tsirairay. Misarika ny saintsika ho amin’ny valiny omen’ny Baiboly ho an’ireo fanontaniana ireo, izy ireo. Andeha hovakintsika, ohatra, ny 2 Timoty 3:16, 17, ary hojerentsika raha manohana ilay valiny nomenao mahakasika ny loharanon’ny Baiboly izy io.” Rehefa avy mamaky ny fehintsoratra faha-3, sy mandinika ilay fanontaniana, ary mamaky ny Jaona 17:3, dia sariho ny sain’ilay tompon-trano ho amin’ny fahalalana izay noraisiny, amin’ny famerenana ny Lesona 1. Eto ianao dia afaka mijery ny Lesona faha-2, ary vakio ilay fanontaniana farany manao hoe: “Fomba roa inona avy no ahafahantsika mianatra momba an’Andriamanitra?” Avy eo dia manontania hoe: “Rahoviana indray ianao no manana 15 minitra eo ho eo mba hahafahantsika hanao ny Lesona faha-2, ary hahita ny valiny?”
7 Tena zava-dehibe ny hihazonana ilay resadresaka ho tsotra sy hiderana ilay tompon-trano, isaky ny maha mety izany. Rehefa manao fandaharana ho amin’ny fitsidihana hafa iray, dia aza manontany azy raha tiany ny hanohy ilay fianarana, fa ampirisiho fotsiny izy hanaraka ilay fomba fianarana teo iny ihany ho amin’ny lesona manaraka. Ampahafantaro azy fa maniry ny hiverina ianao. Nisy mpitory nanolo-kevitra ny hanaovana lesona iray tamin’ny alalan’ny telefaonina, raha nanjary sarotra ny fanaovana fandaharam-potoana. Azonao atao koa ny mampirisika ilay mpianatra mba hametraka ilay bokikely amin’ny toerana azo antoka sy mety tsara mba ho mora raisina izy io amin’ny fiverenanao manaraka.
8 Aoka ianao ho tapa-kevitra: Na dia ny fanomanana aza no fanalahidin’ny fahombiazana, dia tsy maintsy tapa-kevitra ny haneho fikirizana isika. Mety ho zava-tsarotra ny fampianarana lesona iray ao anatin’ny minitra vitsivitsy monja, koa aoka àry ianao ho tapa-kevitra hanao fanazaran-tena amin’ny fomba fampisehonao, imbetsaka araka izay ilaina mba hisosa tsara ny fampisehoanao ilay fianarana. Miezaha mampiseho ny fianarana amin’izay rehetra sendra anao eny am-baravarana, sy amin’ny fitoriana tsy ara-potoana, ary amin’ny fitoriana an-telefaonina. Aza kivy raha sahirana ianao manomboka fampianarana Baiboly. Mitaky fahatapahan-kevitra sy faniriana amim-pahatsorana hizara ny fahamarinana amin’ny hafa, ny fahombiazana eo amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly. — Gal. 6:9.
9 Mety hanana tombontsoa hanampy olona iray ho eo amin’ny lalan’ny fiainana koa ianao, amin’ny fampiharana ireo fanoloran-kevitra ireo, eo amin’ny fanombohana sy fitarihana fampianarana Baiboly amin’ny bokikely Takina. — Matio 7:14.