Ny Fiaraha-miasan’ny Mpianakavy mba Samy Handray Anjara Feno — Eny Amin’ny Fanompoana
1 Mety hisy ve zavatra mahafinaritra kokoa noho ny fahitana ny lehilahy sy ny vadiny, ny ray aman-dreny sy ny zanany miara-miasa eny amin’ny fanompoana kristianina, ka midera ampahibemaso ny anaran’i Jehovah? (Sal. 148:12, 13). Tokony hanana fahazarana tsara handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ny fianakaviana rehetra. Manana andro iray isan-kerinandro voatokana ho an’ny fanompoana ve ny fianakavianao? Raha izany no izy, dia ny rehetra no mahafantatra tsara izay tokony homaniny mialoha, sy afaka mandray anjara feno. — Ohab. 21:5a.
2 Nahoana raha mifarimbona manomana ireo fomba fampiseho izay hampiasain’ny fianakavianareo, alohan’ny andro hanaovan’ny fianakaviana fanompoana? Afaka manampy indrindra ny fotoam-panazaran-tena, ary afaka miteraka toe-tsain’ny fianakaviana tia fiaraha-miasa izany. Tena mahafa-po mihitsy rehefa atao raharaham-pianakaviana ny fanompoana eny amin’ny saha, ary voaomana tsara ny mpianakavy rehetra!
3 Niaraka tamin’ny fianakaviana iray manontolo teny amin’ny fizarana gazety ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Teo am-pitoriana isan-trano niaraka tamin’ny iray tamin’ireo zanakavavy, dia hoy io nanontany azy: “Adiny firy ianao no hiara-miasa amiko?” Avy eo dia nohazavainy fa hiara-miasa amin’ny rainy izy aorian’izany. Niharihary fa tena nankafy ny fiarahany nanao fanompoana izy sy ny rainy. Izany ka toe-tsaim-pianakaviana tsara dia tsara!
4 Mety ho afaka ny hiara-manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy iray volana ao anatin’ny taona ny fianakaviana sasany. Na mety hety ny hanaovan’ny mpianakavy iray, fara faharatsiny, ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny fomba mitohy, na hirotsaka ho mpisava lalana maharitra mihitsy aza. Noho ny fahaiza-mandamina sy ny fiaraha-miasa tsara, dia angamba ny mpianakavy rehetra no ho afaka hampitombo ny fandraisan’ny tenany anjara amin’ny fanompoana, amin’ny fanohanana ilay manao ny asan’ny mpisava lalana. Azo antoka fa hahazo fitahiana ny fianakaviana noho io fampitomboana ny asa io sy noho ireo zavatra tsara hita eny amin’ny fanompoana. — Mal. 3:10.
5 Hihazona ny fianakaviana ho tafaray, ho be zotom-po, hamokatra, ary ho sambatra eo amin’ny asan’i Jehovah, ny fandraisana anjara feno amin’ny asa fitoriana ny filazantsara! — Ampitahao amin’ny Filipiana 2:1, 2.