Aoka isika ho mailaka hanolotra zavatra vita an-tsoratra
1 Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah isika noho ny fanomezany antsika tsy tapaka zavatra vita an-tsoratra amin’ny alalan’ny fandaminany. Tena sarobidy eo imasontsika izany sakafo ara-panahy izany. Rehefa mahazo zavatra vita an-tsoratra vaovao isika dia manomboka mamadibadika izany amin-kafanam-po. Avy eo isika dia mamaky azy io amim-pitandremana ka mampitombo ny fahalalantsika sy ny fankasitrahantsika an’i Jehovah sy ny fikasany.
2 Ireo soa raisintsika manokana avy amin’ny zavatra tsara ianarantsika dia manosika antsika ho tia ny hizara izany amin’ny hafa (Matio 24:14). Tsy andrintsika izay hametrahana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana any am-pelatanan’olona maro be araka izay azo atao, mba hahafahan’izy ireny koa, handray fahalalana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly aseho ao anatin’ireny boky feno fampianarana ireny. Raha miomana amim-pitandremana isika sady mailaka hampiseho ny zavatra atolotra amin’ny volana, dia ho afaka hanampy olona tso-po hitodika amin’i Jehovah sy hanaraka antsika mba hanompo azy.
ISAN-TRANO
3 Mandritra ny volana janoary sy febroary isika dia hanolotra ny karazana boky fanao am-paosy tranainy rehetra, amin’ny fandraisana anjara 300 FMG ny anankiray. Tafiditra amin’izany ny boky Fiadanana sy Filaminana sy ny fanao am-paosy frantsay rehetra afa-tsy ny “Survie”, “Culte”, “Paix et sécurité” vaovao miloko orange ary izay nivoaka taorian’ireo.
4 Mety ho tena sahirana tokoa ny olona itoriantsika. Amin’izany toe-javatra izany dia angamba ho tiantsika ny hampiseho ny boky amin’ny fanarahana ny fanoloran-kevitra voalohany ao amin’ny pejy faha-20 amin’ny boky Comment raisonner, raha tsy izany dia mety ho tiantsika kokoa ny haka hevitra avy amin’ny fanoloran-kevitra faharoa ao amin’io pejy io ihany. Amin’ny fampisehoana fa mahatakatra ny fihevitr’ilay olona isika dia azontsika atao ny milaza aminy amim-pahasahiana toy izao: “Nefa noho ianao tsy manam-potoana hihainoana ahy dia ho tiako ny hametraka ireto gazety roa ireto ho anao, amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 300 FMG, mba hahafahanao mamaky azy rehefa mba manam-potoana kely iny ianao. Azo antoka fa hankasitrahanao marina tokoa ny fahitana ato ny fampanantenana omen’Andriamanitra ny amin’ny hanorenany toe-piainana vaovao.” Amin’izany fomba izany no ampisehoantsika amin’ilay olona iresahantsika fa maneho fiheverana ny toerany isika, amin’ny fampisehoana zavatra vita an-tsoratra.
5 Inona no hatao raha toa ka efa manana ilay zavatra vita an-tsoratra asehontsika azy ny olona iray? Nahoana no tsy ampiharina ny fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 3:6-9? Koa satria efa voavoly ny voa dia aoka isika hanararaotra ny fotoana hanondrahana izany amin’ny fanomezana fanambarana feno kokoa. Na, afaka miteny toy izao koa isika, ohatra: “Tena faly tokoa aho mahafantatra fa efa manana karazany iray amin’itony zavatra vita an-tsoratra itony ianao. Azo antoka fa nankasitrahanao ny famakiana azy. Koa raha sitrakao dia ho tiako ny hampiseho aminao ny fomba ahafahanao mandray soa be kokoa hatrany avy amin’ity boky ity. Tsy handany afa-tsy minitra vitsivitsy monja izany.” Avy eo dia manaova fampisehoana ny amin’ny fomba ianarantsika ny Baiboly miaraka amin’io boky io. Na manana boky ilay olona iresahantsika na tsia, dia izao hatrany ny zava-kendrentsika voalohany indrindra: ny ‘hanao mpianatra.’—Matio 28:19.
NY FITORIANA TAMPOTAMPOKA
6 Tokony ho mailaka koa isika hanararaotra ireo fahafahana betsaka mivelatra eo anoloantsika hanolorana zavatra vita an-tsoratra eo amin’ny faritry ny fitoriana tampotampoka. Eritrereto ny fomba ahafahanao manao fanambarana amin’ny mpitsidika, ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra any an-tsekoly ary ireo olona mifanena aminao rehefa miantsena na eny anelanelan’ny varavarana rehefa mitory ianao. Aoka ianao hiomana; aoka hisy zavatra vita an-tsoratra hatrany any aminao mba handraisan-tsoa amin’ny fahafahana faran’izay kely indrindra. Mora amin’ny ankapobeny ny manana zavatra vita an-tsoratra kely iray na maromaro any amin’ny tena. Araka izany, ny asa tsara dia tsara iray dia mety ho vita amin’ny alalan’ny fitoriana tampotampoka.—Petera 3:15.
7 Ny fandaminan’i Jehovah dia manome antsika amim-pahalalahan-tanana zavatra vita an-tsoratra izay manampy antsika hitoetra ho matanjaka eo amin’ny lafiny ara-panahy sy hampahafantatra ny vaovao tsara. Raha toa isika ka mailaka ny hanararaotra ny fahafahana mivelatra eo anoloantsika hampisehoana azy ireny dia hanandratra kokoa hatrany ny anaran’i Jehovah.—Sal. 34:3.