FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/99 p. 2
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao ny Boky Mivavaha mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Fitaovana Vaovao Iray Hanampiana ny Olona mba Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andria
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • “Hataoko Ahoana no Fahay, Raha Tsy Misy Mampianatra Ahy?”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mampiasa ny Bokikely Takina ve Ianao mba Hanombohana Fampianarana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 7/99 p. 2

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Zavatra vita an-tsoratra inona avy no tokony hiaraha-mianatra amin’ireo vaovao, alohan’ny batisany?

Tsy maintsy mandray fahalalana araka ny marina ny olona iray, alohan’ny hahafahany hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah sy hatao batisa. (Jaona 17:3). Hahazo ny fanazavana ilainy izy amin’ny fianarana ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? sy ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia ny bokikely Takina no hianarana voalohany. Kanefa, raha natomboka tamin’ny boky Fahalalana ilay fianarana, dia tokony hianarana aorian’ny hahavitan’ilay boky ny bokikely Takina. Nahoana no ilaina izany?

Ny bokikely Takina dia mamintina ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Raha ianarana voalohany izy io, dia hahatakatra ireo zavatra fototra takin’i Jehovah ilay mpianatra mba hahazoana sitraka aminy. Raha ianarana farany kosa izy io, dia ho famerenana tsara izay nodinihina tao amin’ny boky Fahalalana. Na ilay iray na ilay faharoa no arahina, dia ampirisiho ilay mpianatra hijery ireo andinin-teny manohana ilay fianarana sy hisaintsaina momba azy ireo. Aoka ianao tsy hanadino ny hanasongadina ireo sary, satria fitaovana fampianarana tena mandaitra izy ireo. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1997, pejy 16-17.

Raha nahavita nianatra ireo zavatra vita an-tsoratra roa ireo ny mpianatra Baiboly iray, dia mety ho afaka hamaly ireo fanontaniana rehetra izay hodinihin’ireo loholona miaraka aminy mba hiomanana ho amin’ny batisa izy. Raha izany no izy, dia mety tsy hilaina ny hitarihana fampianarana toy ny mahazatra, aminy amin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa, na dia tokony hanohy haneho fahalianana ny fandrosoany aza ilay mpampianatra azy. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996, pejy 14, 17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara