Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Jolay
Herinandron’ny 5 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asio firesahana ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Martsa teto amin’ny nosy sy tao amin’ny kôngregasiôna eo an-toerana. Vaovao Teôkratika.
20 min: “Mivavaha mba Hahazoana ny Fanampian’i Jehovah”. Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Hazavao fa tena zava-dehibe ny vavaka amim-pahatsorana maro samihafa mba hahombiazana eo amin’ny fanompoana. Asao ny mpanatrika hiresaka fitantarana izay mampiseho ny fomba nanampian’ny vavaka atao amin’ny fotoana mety, azy ireo, teo amin’ny fanompoany. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1996, pejy 32.
15 min: Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Ireo Bokikely. Lahateny sy fampisehoana. Hazavao ny antony maha fitaovana sarobidy ireo bokikely eo amin’ny fanompoantsika. Mivaofy amin’ny fomba mandaitra ireo loha hevitra manintona olona maro, sy mamoaka hevitra fototra iray amin’ny fomba voafintina, ary manazava fampianarana araka ny Soratra Masina amin’ny fomba mazava izy ireo. Tonòny ireo bokikely atolotra amin’ity volana ity, ary asehoy ireo misy betsaka eo an-toerana. Manaova fampisehoana fohy roa na telo miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo ambanin’ny lohateny hoe “Fomba Fampiseho”, ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower.
Herinandron’ny 12 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Mitondra Fifaliana ny Fanaovana Fanomanana Mialoha”. Lahateny sy fanadinadinana. Hazavao hoe nahoana no tena ilaina amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ny fanaovana fanomanana, sy hoe ahoana no ahafahan’izy io mitondra fifaliana bebe kokoa eo amin’izay ataontsika. (Jereo ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 39, fehintsoratra 1-3.) Manadinadìna mpitory mahay roa na telo izay milaza ny fomba anaovany fanomanana, alohan’ny handehanany eny amin’ny fanompoana, sy ny fanampiana azony avy amin’izany. Resaho ny fitantarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1993, pejy 30, izay mampiseho fa mandaitra ny fampiasana ny boky Fanjohian-kevitra mba hiomanana ho amin’ny fanompoana.
20 min: “Aoka Isika ‘Hilaza avy Hatrany Izay Tena Anton-diantsika’ ” Fandraisana anjaran’ny mpanatrika sy fampisehoana. Diniho tsirairay ny fanoloran-kevitra ny amin’izay holazaina mba hahatonga ny olona hihaino eny am-baravarana. Manasà mpitory mahay hanao fampisehoana fampidiran-dresaka maromaro izay mandaitra. Asao ny mpanatrika hanome fanoloran-kevitra fanampiny sy hiresaka fitantarana mampahery mampiseho izay tena mandaitra eo an-toerana.
Herinandron’ny 19 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: Voatery Miaraka Amin’ny Fandaminana Iray ve Aho? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 178-182. Matetika isika no sendra olona vonon-kandray ny hafatra momba ilay Fanjakana nefa tsy tia “miaraka” amin’ny fandaminana ara-pivavahana iray. Diniho ilay famaritana ny atao hoe “fandaminana” sy ireo lafin-javatra fito hamantarana ny fandaminan’i Jehovah hita maso. Hazavao ny antony mampiavaka azy io amin’ny hafa sy ny tena fitahiana azo avy amin’ny fiarahana aminy.
Herinandron’ny 26 Jolay
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Jolay. Valin’ireo Fanontanianareo.
10 min: “Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany”. Lahateny. Lazao ny datin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany manaraka. Ampirisiho ireo vaovao hieritreritra ny amin’ny batisa. Ampirisiho ny rehetra hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra.
20 min: Manao Mpianatra ve Isika? Mpiandraikitra ny fanompoana miara-midinika amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana iray na roa ny hevitra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1996, pejy 19-22. Asongadino ireo antony araka ny Soratra Masina ilantsika hitadiavana ireo olona mendrika eny amin’ny faritanintsika sy hanaovana mpianatra azy ireny. (Matio 10:11). Izany dia ireo olona misento noho ny toe-piainana ratsy sy tsy ahitana fitiavana an’Andriamanitra manodidina azy, ka mirona hitady an’i Jehovah, alohan’ny hipoahan’ny andro fahatezerany. (Ezek. 9:4; Zef. 2:2, 3). Anisan’izany ‘izay rehetra mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’. (Asa. 13:48, NW). Ny hanao mpianatra, ka hampianatra ny olona izay zavatra rehetra nandidian’i Jesosy, no asa nanirahana antsika. (Matio 24:14; 28:19, 20). Mety hanaitra ny fahalianan’ireo izay hitantsika voalohany isika eny amin’ny fitoriana isan-trano, amin’ny fanambarana tsy ara-potoana, sy amin’ny fitoriana eny amin’ny arabe, fa manao mpianatra kosa isika amin’ny fanompoana fanolokoloana izany fahalianana izany — amin’ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly. Manomeza fanoloran-kevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba ahafahana manao izany.