FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/99 p. 1
  • Ny Fianaranao sy ny Tanjonao Ara-panahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fianaranao sy ny Tanjonao Ara-panahy
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Fianarana Misy Zava-kendrena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Tsy Mankasitraka ny Fianarana ve ny Baiboly?
    Mifohaza!—1998
  • Mahaiza Manararaotra ny Fianarana any An-tsekoly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Ahoana ny Hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah Momba ny Fianarana?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 8/99 p. 1

Ny Fianaranao sy ny Tanjonao Ara-panahy

1 Ny fahazoanao fianarana fototra tsara, raha mbola tanora ianao, dia afaka manome ny fahaizana ilainao. Tsy inona izany fa ny fahaizana mamaky teny sy manoratra tsara, ny fahaizana ankapobe momba ny jeografia, ny tantara, ny matematika, ary ny siansa. Eo am-panaovanao izany, dia afaka mianatra ny fomba fisaina mazava ianao, ny famakafakana zava-misy, ny famahana olana ary ny famoronana hevitra mahasoa. Hahasoa anao mandritra ny fiainanao manontolo ny fianarana toy izany. Inona no ifandraisan’ny fianaranao sy ireo tanjonao ara-panahy eo amin’ny fiainana, ary ahoana no anampiany anao hahazo “ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava”? — Ohab. 3:21, 22.

2 Aoka ianao ho azo ampiasaina eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra: Raha mbola mianatra ianao, dia mihainoa tsara any am-pianarana, ary ataovy tsara ny entimodinao. Raha manana fahazarana tsara mamaky teny sy mianatra ianao, dia ho mora kokoa aminao ny handinika ny Tenin’Andriamanitra ka hatanjaka ara-panahy hatrany. (Asa. 17:11). Ny fananana fahalalana feno tsara dia hanampy anao hifandray amin’olona samy hafa fiaviana sy fahalianana ary finoana, ho hitanao eny amin’ny fanompoana. Hahasoa eo amin’ny fiantsorohanao ny andraikitrao kristianina ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra ny fianarana azonao any an-tsekoly. — Ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:21; 4:11.

3 Mianara mamelon-tena: Raha miezaka tsara ianao, dia ho afaka handranto ireo fahaizana ilaina mba hahazoana fivelomana rehefa vita ny fianarana. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:8.) Fidio amim-pitandremana ny taranja hianaranao. Aza mifantoka amin-javatra izay mety tsy hahitana asa firy. Mieritrereta kosa ny hianatra asa tanana na handranto fahaizana izay hamela anao hahita asa sahaza, na aiza na aiza. (Ohab. 22:29). Ny fampiofanana toy izany dia hahatonga anao ho afaka hamelon-tena, raha toa ianao ka manapa-kevitra ny hanompo any amin’izay ilana fanampiana bebe kokoa. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:1-4.

4 Afaka manampy anao mba hanitatra ny fanompoanao ny fahazoana fianarana fototra tsara raha mbola any an-tsekoly. Miezaha mafy mba hahazo ireo fahaizana ilaina mba hameloman-tena, no sady manohiza mandroso eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Amin’izay ny fianarana vitanao dia hiasa mba hanampy anao hahatratra ireo tanjonao ara-panahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara