FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/00 p. 1
  • Tandindomin-doza ny Ain’olona!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tandindomin-doza ny Ain’olona!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Aza Mitsahatra Mitory!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • ‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • ‘Tandremo Tsara Hatrany Ilay Fanompoana Noraisinao tao Amin’ny Tompo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 9/00 p. 1

Tandindomin-doza ny Ain’olona!

1 Mazava tsara ao amin’ny Baiboly fa ny sitrapon’i Jehovah dia ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra’. Kanefa, marina koa fa ny fanantenan’ireo mponin’ny tany an’arivo tapitrisany maro hahazo fiainana dia miankina amin’ny fihetsiny eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy. Tsy afaka miorina afa-tsy amin’ny “fahalalana araka ny marina ny fahamarinana” ny fihetsika tsara. (1 Tim. 2:3, 4, NW). Na dia mampahafantatra aza isika fa hodiovina tsy ho ela amin’ny faharatsiana rehetra ny tany, mba hanomezana lalana ho an’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra, dia nirahina mba hanao asa famonjena ain’olona koa isika. — Matio 24:14; 28:19, 20; Rom. 10:13-15.

2 Nahoana no maika be? Nampitandrina momba ny hisian’ny “fahoriana lehibe [iray], izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao”, i Jesosy. (Matio 24:21). Hahatratra ny fara tampony io fahoriana io ao Haramagedona. (Apok. 16:16). Ho anisan’ny sarambaben’ny olona hiharan’ny fandringanana, noho izy ireo tsy manaiky ny vaovao tsara, ny havantsika tsy mpino, ny mpiara-monina amintsika, ny mpiara-miasa amintsika, ny mpiara-mianatra amintsika ary ny olom-pantatsika. Ny zavatra ahintsika anefa dia ny hahatratra “ny karazan’olona rehetra”, ho fanahafana an’Andriamanitra, izay naneho ny fitiavany izao tontolo izao manontolon’ny olombelona, tamin’ny nanomezana ny Zanany, i Jesosy Kristy, ho avotra ho an’ny rehetra. (Jaona 3:16). Tsy maintsy manao ezaka amim-pahazotoana isika, mba hanasa ny rehetra handositra ho any amin’ny toeram-piarovan’Andriamanitra. Raha manatontosa amin’ny fomba feno ny asa fitoriana isika, dia tsy hivesatra trosan-dra. — Ezek. 33:1-7; 1 Kor. 9:16.

3 Inona no zava-kendrenao? Hamafisina manerana ny Tenin’Andriamanitra fa zava-dehibe ny asa fitoriana. Araka ny tenin’ny apostoly Paoly, ‘ny fitiavan’i Kristy dia manery antsika’ hiaina mifanaraka amin’ireo lalan’Andriamanitra. (2 Kor. 5:14). Fanampin’izany, Ny Tilikambo Fiambenana dia manantitrantitra matetika ny adidintsika hitory. Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana dia manohy manome toromarika momba ny fomba hanatontosana ny asa fitoriana. Mandamina ilay asa ny loholona, ary mampirisika antsika handray anjara amin’izy io. Ny mpitory hafa dia manasa antsika hiaraka aminy eny amin’ny fanompoana. Mahare be dia be momba ny fanomanana ny fomba fampisehontsika, ny fanolorana gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa, ny fanaovana fiverenana mitsidika, ny fitarihana fampianarana Baiboly ary ny fanararaotana ny fahafahana rehetra hitory, isika. Izany rehetra izany dia manampy antsika hanatanteraka ny zava-kendrentsika, dia ny hamonjy ain’olona. — 1 Kor. 9:22, 23; Efes. 1:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara