Mampiasà Zava-niseho vao Haingana mba Hanairana Fahalianana
1 Tianao ve ny hanana hevitra tsara maro tsy tapaka, mba hihazonana ny fanompoanao ho vaovao sy mba hanairana ny fahalianan’ny olona amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly? Ampiasao àry izay zava-mitranga maneran-tany sy eo amin’ny manodidina anao mba hanombohan-dresaka. Azonao atao ny mampiasa zava-niseho vao haingana teo an-toerana sy teo amin’ny firenena, na voalaza tao amin’ny vaovao maneran-tany. Miovaova tsy an-kijanona ireo zavatra ireo. (1 Kor. 7:31). Diniho ireto ohatra manaraka ireto.
2 Tena mampanahy ny olona ny zava-manahirana ara-bola sy ny vidim-piainana. Noho izany, dia azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Renao tamin’ny vaovao ve, tompoko, fa niakatra indray ny vidin’ny [tonòny ilay zavatra]?” Na mety hiresaka momba ny tsy fisian’ny asa ianao, raha nisy orinasa lehibe iray nandroaka mpiasa maro. Arakaraka izay fomba tianao hanohizana ilay resaka, dia afaka manontany ianao hoe: “Efa mba nanontany tena ve ianao, tompoko, hoe nahoana no sarotra aoka izany ny mitady fivelomana?”, na hoe: “Heverinao ve, tompoko, fa ho sarotra be foana ny hahitana vola ampy hivelomana?”
3 Manome fototra ho an’ny resaka hafa ny vaovao momba ny herisetra, toy ny loza eo anivon’ny fianakaviana na ny mpianatra. Azonao atao ny manontany hoe:
◼ “Novakinao tao amin’ny gazety ve, tompoko, fa [tonòny ilay loza nitranga teo amin’ny manodidina anareo]?” Avy eo, dia manontania hoe: “Inona, tompoko, no heverinao fa mahatonga ny fisian’ny herisetra be dia be toy izany maneran-tany?”, na hoe: “Heverinao ve, tompoko, fa hisy fotoana hahatsiarovantsika ho voaro sy tsy hanana ahiahy?”
4 Manolotra hevitra manaitra fahalianana koa ny vaovao momba ny tondra-drano mitondra fandravana, ny horohoron-tany, na ny hotakotaka, any amin’ny faritra samy hafa amin’ny tany. Azonao atao, ohatra, ny manontany hoe:
◼ “Tompon’andraikitra ny amin’ny [tonòny ny loza iray] ve Andriamanitra?” Na mety hanamarika ny fipoahan’ny hotakotaka farany iray ianao, ka hanontany hoe: “Raha mitady fandriampahalemana ny olona rehetra, nahoana no sarotra aoka izany ny mahatratra azy io?”
5 Aoka ianao ho mailo hahamarika ireo zava-niseho vao haingana, izay azonao ampiasaina ao amin’ny fampidiran-dresakao. Misy fanoloran-kevitra tsara hafa ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo ambanin’ny hoe “Zava-mitranga”, eo amin’ny pejy faha-14. Kanefa, mitandrema mba tsy hiandany na amin’iza na amin’iza, eo amin’ny raharaha ara-politika na ara-tsosialy. Sariho kosa ny sain’ilay olona ho amin’ny Soratra Masina sy ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanalahidy maharitra ho an’ny zava-manahirana ny olombelona.