Fitoriana eto Amin’ity Tontolo Miovaova Ity
1 Miova haingana be ny zava-drehetra! Vetivety dia lasa anton-dresaky ny olona ny loza voajanahary, fahasahiranana ara-toe-karena, fanonganam-panjakana, na loza vao avy nitranga. Vetivety koa anefa, dia zavatra hafa indray no misarika ny sain’izy ireo. (Asa. 17:21; 1 Kor. 7:31) Ahoana no hisarihantsika ny sain’ny olona eto amin’ity tontolo miovaova ity ho amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana?
2 Fantaro izay mampanahy ny olona: Anisan’ny fomba hisarihana ny sain’ny olona ny firesahana aminy ny vaovao farany. Nampirisika ny mpihaino azy handinika ny lazan’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra i Jesosy indray mandeha, ka nanonona loza nitranga vao haingana, izay mbola tsy afaka tao an-tsain’izy ireo. (Lioka 13:1-5) Rehefa mitory koa isika, dia tsara raha miresaka vaovao farany na zava-nitranga teo an-toerana, izay mahaliana ny olona eo amin’ny faritanintsika. Tsy maintsy mitandrina anefa isika sao mampiseho amin’izay lazaintsika fa miditra amin’ny raharaha ara-politika na ara-tsosialy isika.—Jaona 17:16.
3 Ahoana no ahafantarantsika izay eritreretin’ny olona amin’izao fotoana izao? Ny mety indrindra angamba dia ny mametraka fanontaniana fotsiny. (Matio 12:34) Hihaino tsara izay lazain’ny olona isika raha tena miahy azy, ary hametraka fanontaniana fanampiny amim-panajana avy eo. Hanampy antsika hamantatra ny zavatra mampanahy ny maro ao amin’ilay faritany angamba ny fanamarihana tsotra avy amin’ny olona iray. Hanamora ny fitoriantsika izany.
4 Fanomanana fomba fampiseho: Azontsika ampiasaina ny boky Fanjohian-kevitra, rehefa miomana hitory eto amin’ity tontolo miovaova ity isika. Eo amin’ny pejy 13 sy 14, ambanin’ny lohatenikely hoe “Heloka Bevava/Tsy Fananana Ahiahy” sy “Zava-mitranga”, dia misy fanoloran-kevitra mandaitra momba ny firesahana vaovao farany. Ahitana fanoloran-kevitra mitovy amin’izany koa ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2000, pejy 4. Aza hadinoina ny mampiditra andinin-teny mifanentana tsara amin’ilay resaka, rehefa manomana ianao.
5 Mila mamantatra ny zava-baovao, mampanahy ny olona ao amin’ny faritanintsika isika, ka hampifanaraka izany amin’ny fomba fampisehoantsika. Tena hahakasika ny olona ny zavatra lazaintsika amin’izay. Hanampy olona maro kokoa hahafantatra an’ilay Andriamanitra manana toetra sy fitsipika tsy miovaova isika amin’izay.—Jak. 1:17.