FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/00 p. 4
  • “Tokony Hifindra Monina ve Aho?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tokony Hifindra Monina ve Aho?”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Manitatra Faritany
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 9/00 p. 4

“Tokony Hifindra Monina ve Aho?”

1 Ho fanarahana ny baikon’i Jesosy hoe “mandehana (...) manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra”, dia mpanompon’i Jehovah be fandavan-tena maro no nifindra monina, mba hanompo any amin’izay ilana fanampiana kokoa. (Matio 28:19, NW). Amin’izany izy ireo dia manahaka an’i Paoly, izay namaly ilay antso hoe: “Mità mankatỳ Makedonia, ka [ampio, NW] izahay!” (Asa. 16:9). Ahoana no ahafahana mampihatra izany amin’ny fomba tsara?

2 Manaova zavatra miandalana: Manana faritany tsy voasa matetika ve ny kongregasionanao? Raha eny, dia mety hifantoka amin’ireny toerana ireny ianao. Alohan’ny hanapahanao hevitra ny hifindra toerana, dia makà hevitra amin’ireo loholon’ny kongregasionanao, mba hahitana raha mihevitra anao ho vonona amin’izany izy ireo. Mety hanontany ny mpiandraikitra ny fizaran-taninao koa ianao, raha mahalala kongregasiona eo akaiky izay azonao anitarana ny fanompoanao izy. Etsy an-danin’izany kosa, rehefa avy nandinika tamim-pitandremana izay ho lany ianao, dia mety haniry hanampy any amin’ny faritra hafa amin’ny taninao na any amin’ny tany hafa. Raha izany no fanirianao, dia tokony hanoratra any amin’ny biraon’ilay sampana tianao hanompoana, ianao sy ny fitambaran-doholon’ny kongregasionanao, amin’ny fanomezana fanazavana momba ny fiainanao teokratika. Mety ho fahendrena ny mitsidika ilay toerana, alohan’ny hanapahanao hevitra ny hifindra monina tanteraka.

3 Manehoa fitandremana, raha ny amin’ny fifindram-ponenana any an-tany hafa: Mihamitombo isa ireo rahalahintsika izay mifindra monina any an-tany hafa, mba hahitana fari-piainana tsara kokoa, na fanamaivanana amin’ny fampahoriana. Tamin’izany ny sasany dia nanjary rembin’ny olona maty eritreritra, izay mampanantena ny hanampy azy ireo hiorim-ponenana ao amin’ilay tany vaovao, nefa maka ny volany fotsiny, avy eo dia mandao azy ireo. Ny sasany tamin’ireny olona ireny aza dia nanery an’ireo mpifindra monina ho andevon’ny fahalotoam-pitondran-tena. Na dia mandà aza ireto farany, dia tsy afa-manoatra ihany eo an-tanan’ilay tany nidirany. Nanjary ratsy kokoa noho ny tany an-tanindrazany àry ny fiainan’ireo mpifindra monina. Mety hila ny hangataka an’ireo rahalahiny mba hampiantrano azy sy hanampy azy amin’ny fomba hafa mihitsy aza izy ireo, ka hanome enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana kristianina hafa izay efa miady mafy amin’ny zava-manahirana azy manokana. Nisy mpianakavy nanjary tafasaraka, sy fianakaviana nanjary nalemy ara-panahy, noho ny fifindra-monina tsy voahevitra tsara toy izany. — 1 Tim. 6:8-11.

4 Raha te hifindra monina ho tombontsoan’ny tenanao manokana ianao, dia tadidio fa na aiza na aiza onenanao, dia tsy maintsy misy zava-manahirana. Mora kokoa ny mandresy zava-manahirana, any amin’ny misy fiteny sy kolontsaina efa fantatrao, toy izay hanavao fiainana any amin’ny toerana tsy mahazatra anao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara