FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/01 p. 8
  • Tsy Misy Tsara Ohatra ny Tsotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Misy Tsara Ohatra ny Tsotra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampisehoana Tsotra Sady Mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Raha Misy Vokany Ilay Izy, dia Ampiasao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Aoka Ianao Hiahy ny Olona, ka Manomàna Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 4/01 p. 8

Tsy Misy Tsara Ohatra ny Tsotra

1 Nahoana ny mpitory tanora no matetika mihazona ny fahalianan’ireo izay ilazany ny hafatra momba ilay Fanjakana? Ny antony iray dia satria tsotra ny teny ampiasainy. Mety hihevitra ny mpitory sasany fa mitaky fahaiza-mandaha-teny ny fitoriana amin’ny fomba mandaitra. Asehon’ny zavatra hita anefa fa tsy misy tsara ohatra ny fomba fampiseho tsotra sy mazava.

2 Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fomba tsotra sy nivantana i Jesosy, ary nampiofana ny mpianany mba hanao toy izany koa, izy. (Matio 4:17; 10:5-7; Lioka 10:1, 9) Nampiasa teny fampidirana sy fanontaniana ary fanoharana tsy sarotra izy mba hisarihana ny fahalianan’ireo mpihaino azy sy hanohinana ny fony. (Jaona 4:7-14) Maneho fahendrena isika raha manahaka ny ohatra nomeny sy mampiasa fomba fampiseho mora azo.

3 Ny “filazantsaran’ny fanjakana” no hafatra tokony hotorintsika. (Matio 24:14) Hihazona ny fomba fampisehonao ho tsotra ny fampiasana ilay Fanjakana ho fototry ny foto-kevitrao. Zavatra mahakasika ny mpihaino anao resahina. Liana matetika kokoa amin’ny fianakaviany ny vehivavy, noho ny amin’ny resaka politika. Mampanahy voalohany ny raim-pianakaviana ny asany sy ny fiarovana ny fianakaviany. Liana amin’ny hoaviny ny tanora, ary amin’ny fahasalamana tsara kokoa sy ny fiarovana azy ny olona be taona kokoa. Mazàna ny olona no manahy kokoa ny amin’ny fisehoan-javatra eo an-toerana noho ny amin’izay mitranga any an-tany lavitra. Rehefa avy miresaka momba ny raharaha mahaliana ny besinimaro, dia tariho ny saina ho amin’ireo fitahiana ho azon’ny olombelona mankatò, eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mety ho ny fomba tsara indrindra hanairana ny fahalianan’ny mpihaino anao ny teny tsotra vitsivitsy sy voafidy tsara, miaraka amin’ny andinin-teny iray.

4 Azonao atao ny manombo-dresaka toy izao:

◼ “Tsy isalasalana fa manaiky ianao, tompoko, fa tototry ny aretina maro tsy misy fanafany ny olombelona. Kanefa fantatrao ve fa nampanantena Andriamanitra hoe tsy ho ela dia hofoanany ny karazan’aretina rehetra sy ny fahafatesana?” Avelao ilay olona hamaly, ary vakio avy eo ny Apokalypsy 21:3, 4.

5 Enga anie ianao hanohina ny saina sy ny fon’ny olona maro kokoa ao amin’ny faritaninao amin’ny fomba fampiseho mazava sy tsotra, ka hanampy azy ireny hianatra momba an’i Jehovah sy ny fanantenana ny hiaina mandrakizay.—Jaona 17:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara