Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2002 “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”
1 “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” (Sal. 122:1) Mariho ireto zavatra ireto, rehefa mandinika an’io tenin’ny mpanao salamo io: 1) Ny hafaliany rehefa nisy nanasa azy hiara-mivavaka amin’i Jehovah. 2) Ny namany tsara sy tena liana tamin’ny fivavahana marina. 3) Ny fandaharana tsy maintsy natao, mba hampielezana ilay fanasana hiara-mivory sy hanaovana ilay dia ho any an-tranon’Andriamanitra.
2 Tsy ireo voalazan’ny mpanao salamo ireo mihitsy ve ny hafaliana tsapantsika, rehefa mandre fa efa misy fandaharana atao ho an’ny fivoriambentsika manaraka? Tsy mahandry erỳ isika, rehefa mahatsiaro ny hafaliana tamin’ireo fivoriambe lasa sy mieritreritra hoe hiaraka indray amin’ireo namantsika tia an’i Jehovah, any amin’ny fivoriana manokana iray. Misy fandaharana natao ho an’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto” amin’ny taona 2002. Haharitra telo andro ary hatao manerana an’i Madagasikara, ilay fivoriambe. Dieny izao isika dia efa tokony hanao fandaharana mba hanatrika sy handray soa feno avy amin’ny hanim-py ara-panahy miandry antsika.
3 Efa nanomboka nikarakara ny sakafo ara-panahy tena ilaina, haroso any amin’ny fivoriambe, ny “mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina.” (Lioka 12:42) Inona no fiomanana azontsika atao ho amin’ny fivoriambe?
4 Miomàna dieny izao hanatrika mandritra ny telo andro: Sao dia mila mangataka andro tsy hiasana amin’ny mpampiasa ianao, mba hahafahanao hanatrika manontolo ny fivoriambenareo? Fantatr’i Jehovah fa sarotiny ny mpampiasa sasany. (1 Pet. 2:18) Tena zava-dehibe anefa ny fivoriambentsika, ka tiantsika ny hiezaka mafy mba hanatrika ny fandaharana manontolo. Mivavaha amin’i Jehovah momba izany ary mangataha tari-dalana avy aminy, mba hahazoanao valiny mahafa-po avy amin’ny mpampiasa anao.—Neh. 2:4.
5 Tena ilaina hahazoana sakafo ara-panahy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Fahafahana tsy manan-tsahala hiarahana amin’ny namana mahafinaritra koa izy ireny. Koa mampirisika anao izahay hanao fandaharana dieny izao mba hanatrehana ny fandaharana rehetra mandritra ny telo andro, amin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra amin’ity taona ity hoe “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”!
Fandaharana
Zoma sy asabotsy
9.30 maraina - 5.00 hariva
Alahady
9.30 maraina - 4.00 hariva