Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah 2000 “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”
1 “Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho.” (Sal. 35:18). Alao sary an-tsaina ny ho fientanam-pon’i Davida amin’izao andro izao, mahita olona an-tapitrisany maro aoka izany miara-mivory amim-piadanana, mba handray ny fampianaran’Andriamanitra any amin’ny fivoriambentsika! Anisan’ireo 21 851 nanatrika ny iray tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra” ve ianao? Nanomboka tamin’ny faramparan’ny Jolay ka hatramin’ny fiandohan’ny Septambra 1999, dia nisy 11 ireo fivoriambe natao tany amin’ny tanàna valo teto Madagasikara. Ny fivoriamben’ny distrikantsika amin’ity taona 2000 ity, dia hanome antsika fahafahana vaovao hiara-mivory amin’ny mpidera an’i Jehovah toa antsika, izay “mahatsapa izay ilainy ara-panahy”, ka faly sy dodona ny “hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana”. — Matio 5:3, NW; Apok. 2:29.
2 Mandamìna fotoana mba hanatrehana amin’ny andro telo rehetra: Efa nanandrana nanelingelina anao mba tsy hanehoanao fiheverana ny zavatra ara-panahy ve i Satana? Mampalahelo fa rahalahy sy anabavy maro ary ny fianakaviany no maty antoka tsy mahazo amin’ny sakafo ara-panahy tondraka. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny tsy fanatrehana ny fotoam-pivoriana amin’ny fivoriamben’ny distrika ny zoma. Amin’ny toe-javatra sasany, dia voamarika fa maro amin’ireo rahalahintsika no maty antoka tsy mahazo amin’ny fampianarana ara-panahy sy ny fiarahana izay atolotry ny fotoam-pivoriana ny zoma.
3 Mety tsy harisika hanatona ny mpampiasa azy hangataka ireo andro tsy hiasana mba hanatrehana ny fivoriambe, ny rahalahy sasany. Izany ve no toe-javatra misy anao? Nahoana raha mivavaka amin’i Jehovah momba ilay raharaha, ka misikina herim-po mba hanazava ny toe-javatra misy anao amin’ny mpampiasa anao? Tsarovy ny fiafarana tsara ho an’i Nehemia, izay tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany. (Neh. 2:1-6). Manàna finoana ny fahavononan’ny Rainao any an-danitra hanampy anao, amin’ny fahafantarana fa raha mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany ianao, dia hanome anao ny zavatra ilainao eo amin’ny fiainana izy. — Matio 6:32b, 33.
4 Inona no vokatry ny fivoriambentsika eo aminao? Nanoratra toy izao ny anabavy iray avy any amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia: “Misaotra anareo indrindra aho, noho ny fivoriamben’ny distrika 1999. Mitondra fifaliana be dia be ho ahy ny fiarahana amin’ireo anadahy sy rahavavy, izay tsy hitako raha tsy indray mandeha isan-taona. Zatovo iray bevohoka aho fony nanjary nahafantatra ny fahamarinana, ary mbola tsaroako amim-pitiavana lehibe foana ny fotoana nitondran’ny mpampianatra Baiboly ahy tany amin’ny fivoriambe voalohany natrehiko. Nijery ireo rahona teo ambony lohako, tao amin’ilay kianjabe an-kalamanjana, aho, teo am-pihiranay ny hiran’ilay Fanjakana hoe ‘Rahalahy An’aliny Maro’, ary nitomany. ‘Noho ny fisian’ireny olona rehetra mahafinaritra nanodidina ahy ireny’, dia nanontany tena aho hoe ‘ahoana no itiavan’i Jehovah ahy’? Tamin’io andro io, dia nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba feno aho.” Tena mankahery mihitsy izany! Tena mahafinaritra ny miaraka amin’ny vahoaka madion’i Jehovah, sa tsy izany?
5 Mandritra ny tapany farany amin’ny andro farany, dia mila ny fivoriamben’ny distrikantsika mihoatra noho ny hatramin’izay isika. Fandaharana avy amin’i Jehovah izy io, mba hihazonana ny fahasalamantsika sy ny fahaizana mandanjalanja ara-panahy. Noho izany, dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanatrika amin’ny andro telo rehetra amin’ny fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra” amin’ity taona ity. Ahoana no ahafahanao mitana hatramin’ny farany ny fahatapahan-kevitrao? Mangataha mialoha amin’ny mpampiasa anao, mba hahazoana andro tsy fiasana hanatrehana ny fivoriambe manontolo. Raha voafetra ny volanao, dia manomboha manangom-bola dieny izao mba hanatrehana fivoriambe. Mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao handresy izay vato misakana mipoitra. Rehefa manao izany ianao, dia afaka hankafy fiarahana mafana amin’ny rahalahinao sy ny anabavinao ary handre ireo tenin’ny fiainana mandrakizay avy amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, dia i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Jaona 6:68.
6 Mihazòna fitondran-tena tsara izay manome voninahitra an’Andriamanitra: Na aiza na aiza misy antsika, dia manambara ny momba antsika sy ilay Andriamanitra tompointsika, ny fitondran-tenantsika sy ny akanjontsika ary ny fisehoantsika ankapobe. Manjary voamarika indrindra izany, any amin’ny fiaraha-mivory lehibe ataon’ny vahoakan’Andriamanitra, izay andinihan’ny olona maro antsika. Raha fakan-tahaka isika, dia mahazo voninahitra ny anaran’i Jehovah. (1 Pet. 2:12). Kanefa, ny fitondran-tena mahamenatra sy ny fanaovan-javatra tsy amim-pieritreretana ataon’ny sasany, dia afaka mitondra fahafaham-baraka ho an’ny anaran’Andriamanitra sy ho an’ny vahoakany. (Mpit. 9:18b). Ny fitadidiana fa amin’ny alalan’ny fitondran-tenantsika no hitsaran’ny any ivelany ny fandaminantsika sy ilay Andriamanitra ivavahantsika, dia tokony hahatonga antsika hitandrina mafy mba ‘hanao ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’. — 1 Kor. 10:31.
7 Amin’ny ankabeazan’ny fotoana, dia tena miaiky volana ny amin’ny filaminana sy ny fahalalam-pomba ary ny fahadiovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona eny ivelany. Hoy ny mpitantana hotely iray, rehefa niresaka momba ireo fianakaviana Vavolombelona, izay natory tao amin’ny hoteliny: “Ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah no ankizy tsara indrindra tamin’izay hitako! Miakanjo tahaka ny olona mihaja izy ireo, mahalala fomba, manaja, ary tsara fomba, ary tsy nampipoitra zava-nanahirana. Tena mendri-piderana ianareo, noho ny amin’ny tanoranareo. Tianay ny niaraka tamin’ny zanakareo teto.” Mipoitra avy hatrany ny teny toy ireo, satria ireo izay mifampiraharaha amintsika dia afaka mahita ny fitiavana sy ny fanajana misy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah.
8 Etsy an-danin’izany anefa, ny fanamarihana ataon’ny hafa dia milaza fa mbola misy zava-manahirana ihany hita, noho ny tsy fitandreman’ny sasany ny fitondran-tenany. Miteraka zava-manahirana sy mahatonga fanakianana izay tsy tokony hisy, izany. Misy mitaraina fa mitabataba sy tsy voafehy ary tsy voara-mason’ny ray aman-dreny ny ankizy sy ny zatovo, any amin’ny Fivoriambe sy any amin’ny toerana ilasiany.
9 Fisehoana ivelany araka ny tokony ho izy any amin’ny fivoriambe: Na manao ahoana na manao ahoana toerana ampiasaina, dia tokony hoheverina ho toy ny Efitrano Fanjakana lehibe izy io, mandritra ny fivoriambe. Tokony ho tsara toy ny rehefa manatrika ireo fivoriana any amin’ny kongregasionantsika eo an-toerana, ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe. Mandritra sy aorian’ny fotoam-pivoriana amin’ny fivoriambe, dia tsy tokony hanao fitafiana tsy maotina na ara-damaody tafahoatra ireo rahalahy sy anabavy, satria izany dia mampiseho taratry ny toe-tsain’izao tontolo izao, ka manasarotra ny fahitana fa hafa sy tsara noho izy isika. Tokony hitandrina ireo anabavy mba ho maotina tsara ny didy sy ny halavan’ny zipony sy ny akanjony. (1 Tim. 2:9, 10). Na manatrika fivoriambe isika, na mijanona ao amin’ny hotely, na mihinana ao amin’ny hotely fisakafoana, na miantsena, dia tokony ho hita taratra amin’ny fotoana rehetra, fa minisitr’Andriamanitra, izay tsy mahatonga fanafintohinana, isika. — 2 Kor. 6:3.
10 Hatao ny asabotsy maraina ny batisa any amin’ny fivoriambe. Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1995, pejy faha-30, dia milaza ny fihetsika tokony haseho amin’io fotoana io. Milaza izy io fa “tokony hihevitra ny batisa ho zava-dehibe, araka ny tokony ho izy [isika]. Tsy fotoana hipoahan’ny fientanam-po be tabataba, hanaovana lanonana, na hikanikaniana mafy, amin’izay. Tsy fotoana manjombona na mampalahelo koa anefa amin’izay”. Tsy hety indrindra ny hanaovan’ireo atao batisa akanjo fitondra milomano izay zara fa misy takon-kenatra na mampiharihary ny vatana, na lehilahy izy na vehivavy. Noho izany, dia tokony hanome taratry ny maha zava-dehibe sy ny maha zava-mahafaly ny batisa kristianina ny rehetra.
11 I Petera dia mampahatsiahy antsika ny amin’ny hoe ‘karazan’olona manao ahoana moa isika amin’ny fitondran-tena masina sy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra’. (2 Pet. 3:11, NW ). Enga anie ny tenintsika sy ny zavatra ataontsika any amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”, hanampy olona tso-po hahafantatra sy hanompo an’ilay Andriamanitsika lehibe, izay mendrika ny haja sy ny voninahitra rehetra. — 1 Kor. 14:24, 25.
[Efajoro, pejy 3]
Fandaraharam-potoana
Zoma sy asabotsy
9.30 — 5.00
Alahady
9.30 — 4.00