Fifampaherezana Manokana
1 Misesy tsy an-kijanona ny fisedrana ny finoan’ny vahoakan’i Jehovah. Fantatry ny Devoly fa kely sisa ny androny, ka manao araka izay fara heriny izy mba hanerena antsika hivadika amin’i Jehovah. (Apok. 12:12) Tena mila fampaherezana “ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany” isika, mba hahazoantsika “hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa [vitantsika] avokoa, dia hahafahatra [isika].”—Efes. 6:10, 13.
2 Fandaharana nataon’i Jehovah mba hanatanjahana antsika ny fiaraha-mivory amin’ny mpiray finoana amintsika. Fantatry ny apostoly Paoly fa zava-dehibe izany. Naniry hiaraka tamin’ireo rahalahiny kristianina izy, mba ‘hifampirisika’ sy ‘hifampahery’ amin’izy ireo. (Rom. 1:11, 12) Nanomana fandaharana feno fitiavana ny Filan-kevi-pitantanana mba hanatanjahana antsika eo am-panaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Izany dia ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”, izay hahafahantsika hifampahery.
3 Tongava ka mahità soa: Ataovy ho tanjonao ny ho eo mandritra ny telo andro. “Hahita soa” isika, raha tonga alohan’ny hira fanokafana, sy manatrika hatramin’ny vavaka famaranana, ka manao “Amena” vokatry ny fo. (Isaia 48:17, 18) Maro no mila mandamina ny asany aloha be, mba hananany fotoana hanatrehana mandritra ny telo andro. Mety ho sarotra ny hahazo andro tsy hiasana avy amin’ny mpampiasa, kanefa manome toky i Jehovah fa hanampy antsika hanao ny sitrapony. (1 Jaona 5:14, 15) Tokony hikarakara ny fitaterana sy filasiana dieny izao isika, raha mbola tsy nanao izany, fa tsy hiandry fotsiny izay hitranga. Afaka matoky isika fa hotahin’i Jehovah ny ezaka hataontsika mba hanatrehana mandritra ny telo andro.—Ohab. 10:22.
4 Hahazo fampaherezana ianao: Angamba efa nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra nilazanao hoe: “Iny no tsara indrindra hatramin’izay!” Nahoana ianao no nahatsapa toy izany? Satria olombelona tsy lavorary isika, ka mora manjary kivy, ary mila fampaherezana ara-panahy. (Isaia 40:30) Hoy ny anabavy iray: “Ity tontolo ity manakivy ahy, fa ny fivoriambe kosa manampy ahy hifantoka amin’ny fiainako ara-panahy indray, ka manome ahy ny tanjaka ara-panahy ilaiko. Ohatra ny hoe tonga amin’ny fotoana ilako azy indrindra ilay fampaherezana.” Angamba ianao efa nahatsapa toy izany koa.
5 Tsy ny lahateny sy fanadinadinana ihany no manome ny fampaherezana ilaintsika, fa ireo lafiny hafa amin’ny fivoriambentsika koa. Hoy ny rahalahy iray: “Ny fomba fampiharana mazava tsara an’ireo toro lalana ao amin’ny Baiboly no tena tiako. Tena tsara koa ireo fampisehoana tantara, satria mampiseho ny lesona azontsika raisina avy amin’ny ohatra fahiny, na ny tsara na ny ratsy. Tsy andriko koa ny hivoahan’ireo boky vaovao, ary tiako ny mamaky azy ireny, na dia ela be atỳ aoriana aza.”
6 Fandaharana tena ilaina nataon’i Jehovah ny fivoriambe mandritra izao “andro mahory” izao. (2 Tim. 3:1) Manampy antsika izy ireny mba hankatò ilay torohevitra hoe: “Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.” (1 Kor. 16:13) Aoka àry isika ho tapa-kevitra hanatrika ny fandaharana manontolo, ka hifampahery any amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”!
[Efajoro, pejy 3]
Manaova Fandaharana ho An’ny Telo Andro
■ Mangataha andro tsy hiasana.
■ Mila mitady filasiana any amin’ny tanàna hanaovana ilay fivoriambe ve ianao?
■ Aza hadinoina koa ny fitaterana.