Mankasitraka ny Zavatra Masina ve Ianao?
1 Rehefa anontaniana isika hoe mankasitraka ny zavatra masina sa tsia, dia ho azo inoana fa hamaly haingana hoe eny! Inona avy ny sasany amin’ireo fandaharana masina ataon’Andriamanitra, izay ankasitrahantsika?
2 Ankamamintsika tokoa ny fifandraisana manokana avela hananantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra! Manome toky antsika izy fa raha ‘manatona azy isika, dia hanatona antsika izy’. (Jak. 4:8). Raha tsy teo ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, dia tsy hisy olona ho afaka hahazo fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Noho ny fankasitrahana amim-pahatsorana, dia maneho amim-bavaka isan’andro ny fankasitrahantsika lalina an’io fanomezan’Andriamanitra sarobidy io, isika.
3 Masina amintsika ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, ary toy izany koa ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Mampiseho fankasitrahana araka ny tokony ho izy an’ireny fandaharana avy amin’i Jehovah ireny isika, rehefa miaina mifanaraka amin’ny foto-pitsipiky ny Baiboly, manatanjaka ny fatoram-pitiavan-drahalahy, manaja amim-pitandremana ny filaminana teokratika, ary miara-miasa amin’ireo izay mitari-dalana. — 1 Pet. 1:22.
4 Mandray sakafo ara-panahy tondraka, amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina, isika. Ho marina indrindra izany amin’ity taona ity, any amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”. Sady handray fampianarana tena lehibe isika any, no hankafy fiarahana mafana, izay ilaintsika maika. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fankasitrahana amim-pahatsorana an’io fandaharana masina io?
5 Aza manao tsirambina ny tranon’i Jehovah: Nananatra an’ireo izay niezaka hanorina ny mandan’ny Jerosalema i Nehemia mba ‘tsy hanao tsirambina ny tranon’Andriamaniny’. (Neh. 10:39, NW [10:40]). Amin’izao andro izao, ny ‘tranon’i’ Jehovah dia ny fandaharana nataony ho an’ny fanompoam-pivavahana. Anisan’izany fandaharana izany ny fivoriamben’ny distrikantsika. Mba tsy hanaovana tsirambina io fandaharana io, dia tsy maintsy manatrika any sy mihaino tsara isika, ka hampiseho amin’i Jehovah fa mihevitra ho sarobidy ny fandaharana nataony. (Heb. 10:24, 25). Inona no fiomanana mialoha tokony hataontsika dieny izao, mba hampisehoana fa mankasitraka amin’ny fomba feno an’io fisehoan-javatra masina io isika?
6 Manatreha amin’ireo andro telo rehetra: Ny tsirairay amintsika dia tokony hanao fiomanana mba hanatrehana amin’ireo andro telo rehetra amin’ny fivoriambe. Miomana ny ho tonga aloha isan’andro sy hijanona hatramin’ny vavaka famaranana ny alahady, ve ianao? Raha izany no izy, dia hahazo fitahiana tondraka ianao. Mety tsy ho mora foana ny fanatrehana fivoriambe. Mety hila ny ho hentitra ianao, rehefa hanao fanitsiana eo amin’ny asanao. Mety tsy ho mora foana ny hahazo fitaterana. Aza avela hanakivy anao tsy hanatrika ny fivoriambe anefa ireo anton-javatra ireo.
7 Diniho izao ohatra tsara dia tsara izao: Teny an-dalana ho any amin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny taon-dasa, dia nifanena tamin’ny miaramila sasany ny rahalahy sasany tatsy amin’ny tany afrikanina iray, izay nisian’ny hotakotaka. Nanontaniana ireo rahalahy hoe: “Iza ianareo, ary ho aiza?” Namaly izy ireo hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary handeha hamonjy ny fivoriamben’ny distrika.” Hoy ny iray tamin’ireo miaramila: “Mba tsy matahotra na inona na inona koa ianareo Vavolombelon’i Jehovah ireto. Mandehana fotsiny, fa ho afaka hanao soa aman-tsara ny fivoriambenareo ianareo. Kanefa, fantaro fa hifanena amin’ny miaramila be dia be ianareo. Eny afovoan-dalana foana mandeha! Raha mahita olona maro mitangorona ianareo, dia manohiza mandeha eny afovoan-dalana foana!” Izany no nataon’izy ireo, ary dia tonga soa aman-tsara tany amin’ilay fivoriambe izy. Novalian-tsoa ireo rahalahy ireo, satria nampiseho ny fankasitrahany ny zavatra masina.
8 Tahaka an’ireo rahalahintsika atsy Afrika, dia miatrika zava-tsarotra koa isika. Tsy isalasalana anefa fa afaka manahaka ny finoany sy ho tapa-kevitra ny hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra amin’ny fivoriamben’ny distrikantsika isika. Raha misy fanitsiana ilaina hatao, dia mitodiha any amin’i Jehovah mba hahazoana tari-dalana, noho ny fahafantarana fa hitahy ny ezaka ataontsika izy mba hanatrehana ny fandaharana manontolo.
9 Hahazo fitahiana ianareo: Maniry mafy ny Tenin’Andriamanitra isika, noho ny fahafantarana fa mety hitombo amin’izany ho amin’ny famonjena isika. (1 Pet. 2:2). Ny fanatrehantsika ny fivoriamben’ny distrika sy ny fihainoantsika ny fandaharana dia hanampy ny tsirairay amintsika hanorina finoana matanjaka kokoa an’izany Teny izany, sy hanampy antsika hahay kokoa hanohitra ny fanafihan’i Satana. Amin’ny fanaovana izany, dia hasehontsika amin’i Jehovah sy ny mpitazana rehetra fa mankasitraka amin’ny fomba feno ny zava-masina isika, ka “tsy mba naman’izay mihemotra (...), fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. — Heb. 10:39; 12:16; Ohab. 27:11.
10 Afaka manantena ny hamohan’i Jehovah Andriamanitra ny varavaran’ny lanitra sy ny handrotsahany amintsika fitahiana ara-panahy tondraka, isika. (Mal. 3:10). Ataovy ho tanjonao ny ho any amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”, manomboka amin’ny fanokafana ilay fandaharana ny zoma maraina, ka hatramin’ny vavaka sy ny “Amena” farany, ny alahady tolakandro. Ho faly ianao fa nanao izany!