Rehefa Tsy Tratra An-trano ny Olona
1. Inona no olana fahita rehefa mitory isan-trano?
1 Mihasarotra hatrany ny mahita olona ao an-tranony, any amin’ny faritra maro. “Fotoan-tsarotra” mantsy izao ka tsy vitsy no voatery miasa mandritra ny ora maro, mba hahitana vola ampy hivelomana. (2 Tim. 3:1) Mety tsy ho ao an-trano koa ny sasany satria miantsena na miala voly. Ahoana no hitoriantsika ny vaovao tsara amin’izy ireny?
2. Inona no tokony hatao mba ho azo antoka fa hisy hitsidika ireo tsy tratra an-trano?
2 Mandraisa an-tsoratra tsara: Ny mandray an-tsoratra tsara momba an’ireo tsy tratra an-trano no zavatra voalohany tokony hatao. Tena ilaina izany, indrindra raha itorianao matetika ny faritaninao. Moa ve soratanao tsara ny anaran’ny lalana, ny nomeraon’ilay faritany, ny anaranao ary ny daty? Azonao atao ny mamela toerana hasiana fanazavana hafa, rehefa miverina mijery an’ireo tsy tratra an-trano ianao na ny mpitory hafa. Rehefa tsy hiasa amin’ilay faritany intsony ianao, dia omeo an’izay hitory ao indray ilay fandraisana an-tsoratra, raha tsy hoe manaiky angaha izy fa ianao ihany no hijery an’ireo tsy tratra an-trano. Mampiasà taratasy hafa, mba hanoratana ny mombamomba an’ireo olona liana izay hotsidihinao.
3. Inona koa no azo atao mba hitoriana amin’ireo tsy tratra an-trano?
3 Miezaha miverina amin’ny fotoana hafa: Mety ho an-tranony amin’ny takariva na amin’ny faran’ny herinandro, ireo tsy tratra amin’ny andavanandro. Afaka mandamina ny fotoananao ve ianao, ka hiverina amin’ny fotoana mety kokoa? (1 Kor. 10:24) Raha tsy afaka ianao, dia azonao omena an’izay mpitory afaka miverina amin’ny fotoana hafa ny taratasy momba an’ireo tsy tratra an-trano. Azonao atao koa angamba ny mitelefaonina na manoratra any amin’izy ireny. Mety ho faly hanampy anao amin’izany ireo mpitory tsy dia salama, izay tsy afaka mitory isan-trano firy.
4. Inona no ohatra mampiseho fa ilaina ny miverina any amin’ireo tsy tratra an-trano?
4 Ity misy ohatra mampiseho fa ilaina ny miezaka mitady an’ireo tsy tratra an-trano. Niverina imbetsaka tao amin’ny trano iray nandritra ny telo taona ny mpitory. Nihaona tamin’ny tompon-trano ihany izy ireo tamin’ny farany. Hay efa ela ilay vehivavy no niandry ny fandalovan’ny Vavolombelona. Nianatra Baiboly mantsy izy talohan’ny nifindrany tao amin’ilay faritra, ary tiany hitohy ilay izy.
5. Rahoviana no azo lazaina hoe vita ny faritany iray?
5 Vitao ilay faritany: Rahoviana no azo lazaina hoe vita ny faritany iray? Amin’ny ankapobeny, dia rehefa nisy ezaka araka ny antonony natao mba hitoriana tamin’ny olona ao amin’ny trano tsirairay. Mety ho tsara raha amelana taratasy mivalona na gazety tranainy ireo tsy tratra an-trano, indrindra fa any amin’ny faritany tsy itoriana matetika. Tsy tokony hatao hitan’ny mpandalo anefa izany. Tokony hovitaina ao anatin’ny efa-bolana ny faritany. Tokony haverina any amin’ny mpikarakara ny faritany izy io avy eo, mba homarihiny ny daty nahavitana izany.
6. Nahoana isika no tokony hiezaka hitory ny vaovao tsara amin’izay rehetra ao amin’ny faritanintsika?
6 Olona faran’izay betsaka no irintsika hianatra hiantso ny anaran’i Jehovah ka hovonjena. (Rom. 10:13, 14) Anisan’izany ireo tsy tratra an-trano. Toy ny apostoly Paoly, dia aoka ianao haniry “hanome fanazavana feno momba ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra.”—Asa. 20:24.