Asaina Amim-pitiavana Isika Hanaraka ny Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika
Afaka ny ho tapa-kevitra bebe kokoa hihazona tsy fivadihana isika rehetra, rehefa mandray am-po ny lesona notsoahana avy ao amin’ilay tantara ara-baiboly hoe Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika. Rehefa hihaino ilay kasety misy azy io ianao, dia vakio aloha ny Nomery toko faha-25 sy ny fanazavana mifandray amin’izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1995, pejy faha-16 sy 17. Avy eo dia valio ireto fanontaniana ireto: Iza moa ny Moabita, ary nahoana i Jehovah no nilaza tamin’i Mosesy mba tsy hiady tamin’izy ireo? (Deot. 2:9) Ahoana no nampiasan’i Balama ny Moabita mba handringanana ny firenen’ny Isiraely? Nahoana isika no tsy tokony hanadino fa Isiraelita maro no lavo tamin’ny fitsapana lehibe iray, taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina?—1 Kor. 10:11, 12.
Tsy maintsy mitandrina tsara an’ireto lafin-javatra efatra amin’ny fiainana ireto isika, raha te hahatoky sy hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana. Aoka isika hisaintsaina azy ireo rehefa mihaino ilay kasety hoe Ohatra Fampitandremana. 1) Fihetsika: Inona no fihetsika ratsy nasehon’ny Isiraelita sasany tamin’i Jehovah sy ny fandaharany? Inona kosa no fihetsika tokony hiezahantsika haseho? 2) Namana: Nahoana no tsy tian’i Jehovah hinamana tamin’ny Moabita ny Isiraelita? (Eks. 34:12; Ohab. 13:20) Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina rehefa mifidy namana? 3) Fitondran-tena: Inona no fahotana lehibe nataon’ireo Isiraelita 23 000 teo ho eo, noho ny fitaoman’ny naman-dratsy? (1 Kor. 10:8) Inona no nitarika ny sasany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra haloto fitondran-tena ankehitriny? Ahoana anefa no ahafahantsika miaro ny tenantsika? 4) Fivavahana: Ahoana no nitsapana ny Isiraelita mba hampisehoana raha nadio ny fivavahan’izy ireo na tsia? Voasarika hanao karazana fanompoan-tsampy an-kolaka inona ny sasany ankehitriny? Inona anefa no azontsika atao mba hanalavirana izany?—Kol. 3:5.
Inona no valisoa azon’i Jamina, tao amin’ilay tantara, noho izy nihazona fitondran-tena tsara? Manasa amim-pitiavana ny Kristianina marina rehetra hanao inona ny Filan-kevi-pitantanana, amin’ny alalan’io kasety io? Raha raim-pianakaviana ianao, nahoana ianao no mihevitra fa tsara raha mamerimberina mihaino azy io ny ankohonanao?