FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/03 p. 5
  • Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Hadinoina Ireo Tsy Mitory Intsony
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • “Miverena Amiko”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampio Hiverina Haingana Izy Ireo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 2/03 p. 5

Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety

1 Niahy ny mpiray finoana taminy ny apostoly Petera, ka nampahatsiahy sy nampahery azy ireo, rehefa tsapany fa nilaina izany. (2 Pet. 1:12, 13; 3:1) Nampirisihiny mafy “izay efa nahazo finoana” mba hampitombo toetra tsara hatrany, ka tsy hanjary ‘ho malaina na tsy hahavokatra amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.’ (2 Pet. 1:1, 5-8) Ny hanampy azy ireny hanamafy orina ny fiantsoana sy ny fifidianana azy avy tamin’i Jehovah no tanjon’i Petera. “Ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana” izy ireny, amin’izay. (2 Pet. 1:10, 11; 3:14) Fanampiana tonga ara-potoana izany fampaherezany izany, ho an’ny ankamaroan’ny mpiray finoana taminy.

2 Miahy ny vahoakan’Andriamanitra toy izany koa ny mpiandraikitra kristianina ankehitriny. Maro amin’ireo mpanompon’i Jehovah tokoa no tsy maintsy miaritra toe-javatra sarotra amin’izao “andro mahory” izao. (2 Tim. 3:1) Ireo olana ara-bola, na ara-pianakaviana, na manokana, dia mety hahatonga ny sasany hiteny toa an’i Davida hoe: “Nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.” (Sal. 40:12) Mety ho tena mafy izany fanerena izany, ka hanao tsirambina ny zavatra ara-panahy tena ilainy ilay olona, ary tsy handray anjara intsony amin’ny fanompoana kristianina. Na izany aza, dia tsy hadinony ny didin’i Jehovah. (Sal. 119:176) Amin’izay no fotoana tokony hanomezan’ny anti-panahy ny fanampiana ilain’ny olona toy izany.​—Isaia 32:1, 2.

3 Ampirisihina àry ny anti-panahy hanao ezaka manokana hanampiana ireo tsy mitory intsony. Asaina hitsidika azy ireny ny mpiandraikitra fianarana boky, mba hanome fanampiana ara-panahy. Ny hahatonga ilay olona hiara-mitory indray amin’ny fiangonana no tanjona. Azo ampianarina Baiboly indray ilay olona, raha ilaina izany, ary hisy mpitory azo angatahina hanampy azy. Raha ianao no asaina hanao izany, dia tena hahasoa ny fiezahanao hampahery, indrindra raha maneho hatsaram-panahy sy fahaiza-mahatakatra ny fihevitry ny hafa ianao.

4 Faly ny rehetra rehefa misy olona miverina mitory indray. (Lioka 15:6) Tena hanjary ho “teny atao amin’ny antony” ny fiezahantsika hampahery an’ireo tsy mitory intsony.​—Ohab. 25:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara