‘Aoka Isika ho toy ny Fahazavana’
1 ‘Toy ny fahazavana’ any amin’ny tany 234 ireo mpivavaka amin’i Jehovah miisa enina tapitrisa eo ho eo, eto anivon’ity tontolo simba ara-panahy sy ara-pitondran-tena ity. (Fil. 2:15) Mahatonga antsika hiavaka izany. Ahoana no ahafahantsika mampamirapiratra izany hazavana avy amin’i Jehovah izany?—2 Kor. 3:18.
2 Ny zavatra ataontsika: Mora mahamarika ny fitondran-tenantsika ny olona. (1 Pet. 2:12) Voamariky ny vehivavy iray fa tsara fanahy sady vonon-kanampy ny Vavolombelona iray niara-niasa taminy. Tsy mba niteny ratsy izany izy, na nihomehy rehefa nisy nanao vazivazy maloto. Niteny ratsy teo imasony ny mpiasa hafa mba hampahatezitra azy. Na dia tsy niteny aza ilay Vavolombelona, dia hita fa tsy nankasitraka ny zavatra nataon’izy ireo. Inona no vokatr’izany tamin’io vehivavy io? Hoy izy: “Tena nampiaiky volana ahy ny fitondran-tenany, ka nanomboka nametraka fanontaniana momba ny Baiboly aho. Nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra aho, ary natao batisa tatỳ aoriana.” Hoy ihany izy: “Ny fitondran-tenany no nahatonga ahy hanadihady ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”
3 Ny fihetsitsika eo anatrehan’ny manam-pahefana sy ny fiheverantsika ny fanaon’ity tontolo ity ary ny fiteny madio ampiasaintsika no amantarana, fa manaraka ireo fitsipika ambony ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Manome voninahitra an’i Jehovah ny asa tsara toy izany ary mety hahatonga ny olona hanompo azy.
4 Ny tenintsika: Mahita ny fitondran-tena tsarantsika ny olona. Mety tsy ho fantany anefa ny antony mampiavaka antsika, raha tsy lazaintsika aminy ny finoantsika. Fantatry ny mpiara-miasa, na mpiara-mianatra aminao ve fa Vavolombelon’i Jehovah ianao? Mitady fomba ahafahana mamadika ny resadresaka tsotra ho fitoriana ve ianao? Tapa-kevitra ny ‘hampahazava ny fahazavanao eo imason’ny olona’ ve ianao, raha vao afaka manao izany?—Matio 5:14-16.
5 Mitaky fahafoizan-tena ny famitana ilay asa anirahana antsika hitondra fahazavana. Hamela ireo zavatra tsy dia lehibe isika, raha manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Amin’izay isika, dia ho afaka handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ilay asa famonjena aina, dia ny asa fitoriana sy fampianarana.—2 Kor. 12:15.
6 Enga anie isika ka hampamirapiratra hatrany ny fahazavantsika amin’ny teny sy ny atao. Mety hanjary hanome voninahitra an’i Jehovah toa antsika koa ny olon-kafa, raha manao izany isika.