Aoka Ianao ho Fianarana Amin’ny Asa Tsara
1 Tena voamariky ny mpitazana ny zavatra ataontsika sy ny fomba ifandraisantsika amin’ny hafa, rehefa eny amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Tokony hitandrina tsara àry isika, mba hanaraka ilay fananaran’ny Baiboly hoe: “Amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara.” (Titosy 2:6, 7) Mila miezaka bebe kokoa isika mba hampihatra ilay torohevitra hoe: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” (Fil. 2:4) Andeha isika handinika izay azontsika ampiharana an’io fampirisihana io, mandritra ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra ho avy hoe “Omeo Voninahitra Andriamanitra.”
2 Ray aman-dreny sy zanaka: Maro ankehitriny ny tanora tsy mahalala fomba. Tsy mitovy amin’izy ireo anefa ny tanorantsika, ary manome voninahitra an’i Jehovah sy ny fandaminany izany. Nitranga anefa ny zava-manahirana indraindray, satria tsy voara-maso tsara ny ankizy. (Ohab. 29:15) Tsy tokony havelan’ny ray aman-dreny tsy hisy mpanara-maso ny zanany any amin’ny toerana fanaovana fivoriambe.
3 Misy ray aman-dreny sasany nahita fa tsara ny miresaka amin’ny zanany, alohan’ny fivoriambe, momba ny fitondran-tena tokony harahin’izy ireo. (Efes. 6:4) Ampiany ny zanany hahatakatra fa raha tena manam-pitiavana ny Kristianina, dia “tsy manao izay tsy mahamendrika”, sady “tsy mitady ny azy.” (1 Kor. 13:5) Fotoana manokana ampianaran’i Jehovah antsika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Na ankizy àry isika na lehibe, dia tokony hampiseho fanajana an’io fandaharana io foana ny fitondran-tenantsika, mandritra ny fivoriambe sy any an-toeran-kafa.
[Fanontaniana]
1. Nahoana isika no tena tokony hitandrina ny fitondran-tenantsika, mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra?
2, 3. Ahoana no azon’ny ankizy anomezana voninahitra an’i Jehovah, ary inona no andraikitry ny ray aman-dreny amin’izany?