“Aoka ho Tsara Foana ny Fitondran-tenanareo eo Amin’izao Tontolo Izao”
1. Nahoana no tokony ho tsara foana ny fitondran-tenantsika mandritra ny fivoriambe?
1 Voamariky ny olona isika rehefa manatrika ny fivoriambe isan-taona. Tena tokony ho hita amin’ny fitondran-tenantsika àry hoe iza ilay Andriamanitra ivavahantsika. (Lev. 20:26) Tokony ho fantatry ny olona hoe tena mpanara-dia an’i Kristy isika rehefa hitany fa mahalala fomba sady milamina tsara ny akanjontsika sy ny volontsika. Rehefa hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra na fivoriambe iraisam-pirenena isika, inona no azontsika atao mba ‘ho tsara foana ny fitondran-tenantsika eo amin’izao tontolo izao’ ka hahazo voninahitra ilay Raintsika any an-danitra?—1 Pet. 2:12.
2. Rehefa fivoriambe, inona no toetra kristianina azontsika aseho, ary amin’iza avy?
2 Asehoy hoe Manana Toetra Kristianina Ianao: Tena tsy mitovy amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika, satria mifankatia sady mahay mifandray “amin’ny olona eny ivelany.” (Kol. 3:10; 4:5; 2 Tim. 3:1-5) Tokony ho tsara fanahy sy hanam-paharetana amin’ireo mpiasan’ny hotely fisakafoana isika, na dia rehefa misy olana aza.
3. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny, ary nahoana?
3 Tokony hanara-maso tsara ny zanany ny ray aman-dreny, na eny amin’ny fivoriambe na any amin’ny hotely fisakafoana. (Ohab. 29:15) Nisy tompona hotely niteny tamin’ny mpivady Vavolombelona iray hoe: “Tena tianay ianareo. Mahalala fomba be daholo ianareo sy ny zanakareo. Izany no ambentin-dresaky ny mpiasa ato. Satrinay foana ianareo hankatỳ isaky ny faran’ny herinandro.”
4. Tokony hanao ahoana ny fitafiantsika mandritra ny fivoriambe?
4 Akanjo Maotina: Tokony ho mendrika sy ho maotina ny akanjontsika rehefa fivoriambe, fa tsy hanaraka ny fomba fihaingon’ity tontolo ity izay tafahoatra loatra. (1 Tim. 2:9) Tsy tsara ny manao akanjo fitena loatra na baranahiny rehefa tsy ao amin’ilay toerana anaovana fivoriambe, aloha sy aorian’ny fandaharana. Tsy ho menatra isika amin’izay hanao ny karatry ny fivoriambe ary ho sahy hitory rehefa afaka. Ho liana amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny olona tso-po raha mendrika ny fitafiantsika sy ny fitondran-tenantsika mandritra ny fivoriambe. Ho faly koa i Jehovah.—Zef. 3:17.