FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/02 p. 4
  • “Miezaha Mandrakariva Hitady Izay Tsara”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Miezaha Mandrakariva Hitady Izay Tsara”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Ianao ho Fianarana Amin’ny Asa Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • “Aoka ho Tsara Foana ny Fitondran-tenanareo eo amin’izao Tontolo Izao”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2002 “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Fitondran-tena Manome Voninahitra An’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 5/02 p. 4

“Miezaha Mandrakariva Hitady Izay Tsara”

1 Anisan’ny fomba fiaina kristianina ny ‘fiezahana mandrakariva hitady izay tsara amin’ny olona rehetra.’ (1 Tes. 5:15) Maro ny zavatra tsara azontsika atao ho an’ny olona, rehefa manatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isika. Midika izany fa ‘tsy samy mihevitra ny antsika ihany isika fa samy ny an’ny namantsika koa.’ (Fil. 2:4) Eritrereto ny fomba azontsika ampiharana izany amin’ny fivoriambe.

2 Jereo izay mpikambana mila fanampiana: Raha fantatsika fa sarotra amin’ny rahalahy na anabavy iray ny mamonjy fivoriambe noho izy kilemaina, na tsy salama, na sahirana ara-pivelomana, afaka ‘mihamalalaka’ ve ny fitiavantsika ka hanampy azy isika? (2 Kor. 6:12, 13; Deot. 15:7) Izany no nampirisihan’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 8:14. Raha manana fiara ianao, nahoana raha hoentinao mamonjy fivoriambe izy ireny? Raha mpisava lalana izy ireo, dia mety ho afaka hitantara ny zavatra hitany teny am-pitoriana, rehefa eny an-dalana. Raha Vavolombelona efa hatramin’ny ela izy ireo, dia mety hitantara zavatra mbola tsy renao mahakasika ny fiainany amin’ny maha Kristianina azy. Tsy hisy vokany tsara eo aminao sy ny fianakavianao ve ny fiarahana amin’ireny rahalahy sy anabavy ireny? Tena hankasitrahan’izy ireo tokoa ny fahalalahan-tananao, ary hovalian’i Jehovah.—Ohab. 28:27; Matio 10:42.

3 Ny havan’ireo olona mila fanampiana manokana no tokony hikarakara azy ireo voalohany indrindra. Afaka manampy koa anefa ny anti-panahy sy ny rahalahy hafa, raha mahafantatra fa misy mpikambana mila fanampiana manokana.—1 Tim. 5:4.

4 Mivonòna hanao asa an-tsitrapo: Mpiasa an-tsitrapo an-jato no manampy mba hampandeha tsara ireo sampan-draharaha, mandritra ny fivoriambe. Manome toerana ho an’ny olona sy manara-maso ny fiara ireo mpikarakara ny mpanatrika ao amin’ny efitrano fivoriambe sy ny parking. Manana tombontsoa hihazona ny laza tsarantsika mahakasika ny fahadiovana ny Sampan-draharahan’ny Fanadiovana. Na manofa trano isika na mampiasa Efitrano Fivoriambe, dia ataon’izy ireo madio kokoa noho ny tamin’ny andro voalohany io toeram-pivavahana nampiasaintsika nandritra ny andro vitsivitsy io. Afaka manampy azy ireo, na izay sampan-draharaha mila ny fanampiantsika ve isika? Hanolo-tena hanompo “amin’ny firaisan-kina” miaraka amin’ny rahalahinao ve ianao?—Zef. 3:9.

5 Ampianaro hanao izay tsara ny ankizy: Ry ray aman-dreny, tsara raha manokana fotoana kely ianareo, alohan’ny fivoriambe, mba hampahatsiahivana ny zanakareo ny fihetsika tokony harahin’ny Kristianina, mandritra ny fivoriambe manontolo. (Efes. 6:4) Resaho aminy, ohatra, fa “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra”, ny tena fitiavana kristianina. (1 Kor. 13:5) Mora arahina kokoa ny tenin’ny olon-dehibe rehefa manome ohatra tsara izy ireo. Rankizy, azonareo atao ny mitady izay tsara ka mankatò ny ray aman-dreninareo, manaja ary maneho fiheverana ireo olona manodidina anareo. (Kol. 3:20) “Hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra” isika, raha samy miezaka ny hanao izay tsara amin’ny olona rehetra.—Tit. 2:10.

6 Ny fitondran-tena tsara ananantsika sy ny zavatra rehetra ataontsika mialoha sy mandritra ny fivoriambe ary manerana ny toerana hanaovana fivoriambe, dia tokony hanaporofo fa miezaka hitady izay tsara isika. Anisan’izany ny resaka ataontsika sy ny fihetsitsika, na mandeha eny an-dalana isika, na manararaotra mitory tsy ara-potoana.

[Efajoro, pejy 4]

Hevitra Tsara Hotadidina:

■ Fantaro izay rahalahy sy anabavy mila fanampiana mba hamonjena fivoriambe.

■ Manolora tena hiasa an-tsitrapo.

■ Ry ray aman-dreny, araho maso tsara ny zanakareo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara