Ry Tanora, Ataovy Tsara Fototra ny Hoavinareo
1 Inona no tena mibahana ao an-tsainao? Inona foana no eritreretinao? Mifantoka be amin’ny ankehitriny ve ianao sa amin’ny hoavy ampanantenain’Andriamanitra? (Matio 6:24, 31-33; Lioka 8:14) Ilaina ny finoana matanjaka mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fampanantenan’Andriamanitra. Hita izany tamin’ny ohatr’i Abrahama sy Mosesy. (Heb. 11:8-10, 24-26) Ahoana no hanahafanao azy ireo ka hampitomboanao ny finoanao, sy hanorenanao ‘ny hoavinao eo amin’ny fototra tsara’?—1 Tim. 6:19.
2 Tadiavo i Jehovah: Deraina ianao raha zatra miara-manao zavatra ara-panahy amin’ny fianakavianao. Aza mieritreritra anefa hoe hanatanjaka ho azy ny finoanao ireny fahazarana ireny. Ianao mihitsy no tokony hitady an’i Jehovah mba ho “hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohab. 2:3-5; 1 Tant. 28:9) Nanao izany i Josia mpanjaka tanora. Tsy nahazo fitaizana nampiroborobo ny ara-panahiny izy tamin’ny fahazazany. “Niantomboka nitady an’Andriamanitr’i Davida rainy” anefa izy rehefa 15 taona.—2 Tant. 34:3.
3 Ahoana no hitadiavanao an’i Jehovah? Diniho amim-pitandremana ny zavatra inoanao, ‘hamantaranao’ fa tena fahamarinana izany. (Rom. 12:2) Hainao hazavaina ve, ohatra, hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny ra, na hainao ve ny manaporofo fa efa nanomboka nitondra tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914? Tena ho tsara fototra ny hoavinao raha mahazo “fahalalana marina tsara ny fahamarinana” ianao.—1 Tim. 2:3, 4.
4 Nitady an’Andriamanitra i Josia ka nahita vokatra tsara. Nampiseho herim-po izy raha mbola tsy feno 20 taona akory, ka namongotra ny fivavahan-diso tsy ho eo amin’ny tany. (2 Tant. 34:3-7) Ho hita amin’ny zavatra ataonao koa ny fandrosoanao ara-panahy. (1 Tim. 4:15) Miezaha hanatsara ny fanompoanao raha mpitory tsy vita batisa ianao. Aza mianina fotsiny amin’ny fametrahana boky aman-gazety. Ataovy tanjona ny hampiasa Baiboly sy hanolokolo ny fahalianan’ireo olona hitanao. (Rom. 12:7) Hanampy anao hitombo ara-panahy izany.
5 Omeo an’i Jehovah ny tsara indrindra anananao: Voatendry ho mpanompon’i Jehovah ianao rehefa nanolo-tena ho azy tamin’ny alalan’ny batisa. (2 Kor. 3:5, 6) Misokatra ho anao amin’izay ny fahafahana hanompo an’i Jehovah manontolo andro. Eo, ohatra, ny asan’ny mpisava lalana, ny asa ao amin’ny Betela, ary ny asa fanorenana Efitrano Fanjakana. Fomba iray ahazoanao manitatra ny fanompoanao koa ny fifindrana any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa.
6 Marina fa tsy ny rehetra no afaka hanana ireo tombontsoam-panompoana ireo. Afaka manome an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amintsika anefa isika rehetra. (Matio 22:37) Aoka ny fanompoanao an’i Jehovah no ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy anao. (Sal. 16:5) Hanorina ny hoavinao eo amin’ny fototra tsara ianao raha manao izany.
[Fanontaniana]
1. Nahoana ny tanora kristianina no mila manatanjaka ny finoany?
2. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Josia Mpanjaka?
3. Ahoana no ahafahan’ny tanora kristianina mitady an’i Jehovah?
4. Ahoana no ampisehoan’ny mpitory tsy vita batisa fa mandroso izy?
5. Inona avy ny fahafahana misokatra ho an’ny Kristianina vita batisa, izay maniry hanitatra ny fanompoany?
6. Ahoana no ahafahantsika rehetra manorina ny hoavintsika eo amin’ny fototra tsara?