‘Aoka Isika Hiara-manandratra ny Anarany’
1 Inona, aminao, no mampiavaka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra fanaontsika isan-taona? Ireo lahateny sy fampisehoana tantara mampahery nomanin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ho antsika ve? (Matio 24:45-47) Sa ireo boky vaovao misy sakafo ara-panahy tonga ara-potoana? Sa fitantaran’ireo rahalahy sy anabavy fa nanatsara ny fiainany ny fianarana Baiboly? Sa ireo tatitra momba ny fandroson’ny asa fitoriana any an-tany hafa? Sa ny fiarahana amin’ireo mpiara-manompo, na lehibe na kely? Tsy andrintsika tokoa ny hahatongavan’ny fivoriambe, noho ireo antony ireo sy ny maro hafa koa!
2 Hoy ny mpanao salamo: “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.” (Sal. 34:3) Ho avy izao ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra”, ka ho afaka hanandratra ny anaran’i Jehovah isika, miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Efa nikarakara ny amin’ny filasiana sy ny fitaterana ary ny fotoana tsy iasanao ve ianao? Tsara ny hanaovana izany aloha be.—Ohab. 21:5.
3 Tongava mandritra ny telo andro: Nanome izao didy izao i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy: ‘Vorio ny vahoaka rehetra mba hihainoany sy hianarany.’ (Deot. 31:12) Nanomana fandaharam-pampianarana manokana ho antsika i Jehovah, ho an’ny andro tsirairay amin’ny fivoriambe. Ary nataony tamin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina izany. Tiantsika ny hanatrika azy io manontolo, satria i Jehovah no mampianatra antsika “hahita soa.” (Isaia 48:17) Raha mila mangataka andro tsy iasana ianao, dia mivavaha aminy ary ataovy ilay fangatahana, ka tahafo ny herim-pon’i Nehemia. (Neh. 1:11; 2:4) Ho tsara koa raha ilazana aloha be ny amin’ny fotoana hanatrehanao fivoriambe ny mpianakavinao tsy Vavolombelona.
4 Fahatongavana any amin’ny fivoriambe: Misy zavatra maro tokony hokarakaraina rehefa manatrika fivoriambe. Tsy ho tara isika, na inona na inona sampona mety hitranga, raha miainga aloha be. Hahazo toerana isika amin’izay, ka hahatratra tsara ny hira sy vavaka fanokafana. (Sal. 69:30) Hipetraka eny amin’ny lampihazo ny mpitari-draharaha, minitra vitsivitsy alohan’ny fanombohana, ary hisy mozikan’ilay Fanjakana halefa. Amin’izay no fotoana tokony handraisantsika rehetra toerana, mba hatomboka amim-pahamendrehana ilay fandaharana.—1 Kor. 14:33, 40.
5 Mananatra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba ‘hatao amim-pitiavana izay rehetra ataontsika.’ (1 Kor. 16:14) Raha mihevitra ny hafa àry isika dia tsy hihazakazaka sy hifanosika mba hahazoana ny toerana tiantsika. Ireo miray fiara na trano aminao ihany no azonao hamandrihana toerana.—1 Kor. 13:5; Fil. 2:4.
6 Mitondrà sakafo fa aza mivoaka ny toerana hanaovana fivoriambe mandritra ny fiatoana amin’ny antoandro. Ho afaka hifampahery isika amin’izay, ary ho eo raha vao manomboka ny fotoam-pivoriana tolakandro. Raha ilaina, dia azo atao ny mitondra harona izay azo apetraka ao ambany seza. Tsy azo atao kosa ny mitondra harona lehibe sy tavoahangy ary zava-pisotro misy alkaola any amin’ny fivoriambe.
7 Misy fanasam-be ara-panahy miandry antsika: ‘Nanomana ny fony hitady an’Andriamanitra’ i Josafata Mpanjaka. (2 Tant. 19:3) Ahoana no hanomanantsika ny fontsika alohan’ny fivoriambe? Manome santionan’io fanasam-be io ny lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ny Mifohaza! 8 Jona. Makà àry fotoana handinihana sy hisaintsainana an’izany lahatsoratra izany. Tsy ho andrintsika amin’izay ny hahita izay homanin’i Jehovah ho antsika. Manomana ny fontsika koa isika, raha mangataka an’i Jehovah hanampy antsika hahazo ny hevitry ny fampianarana horaisintsika sy hampihatra azy io.—Sal. 25:4, 5.
8 Samy maniry hianatra bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra isika, satria fantatsika fa amin’izany no hitomboantsika ho amin’ny famonjena. (1 Pet. 2:2). Nandritra ny fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah efa ho 2 500 taona lasa izay, dia namaky sy nanazava ny Tenin’Andriamanitra tamin’izy ireo i Ezra sy ireo Levita. Inona no vokany? Milaza amintsika ny Nehemia 8:12 fa ‘nandeha ny olona rehetra ary nifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.’ Tsy velom-pankasitrahana koa ve isika, satria toy ny nataon’i Ezra sy ireo Levita no ataon’ny mpanompo voahosotra? Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy, ka manazava sy manoro antsika ny fomba hampiharana azy io eo amin’ny fiainantsika. Hita amin’izany fa tena tia sy miahy ny vahoakany i Jehovah. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra”, izay haharitra telo andro!
[Fanontaniana]
1. Nahoana no tsy andrintsika ny hahatongavan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra?
2. Inona no fahafahana ananantsika mba hiara-manandratra ny anaran’Andriamanitra? Ahoana no hiomanantsika dieny izao?
3. Inona no hataontsika mba ho azo antoka fa hanatrika mandritra ny telo andro isika?
4. Nahoana no tsara ny hahatongavana aloha any amin’ny fivoriambe?
5. Ahoana no anehoana fiheverana ny hafa rehefa mitady toerana isika?
6. Inona no tokony hatao mandritra ny fiatoana, ary nahoana izany no mahasoa?
7. Ahoana no hanomanana ny fontsika ho amin’ny fampianarana horaisintsika?
8. Inona no fanirianao ary nahoana?
[Efajoro, pejy 3]
Fomba Hanandratana ny Anaran’Andriamanitra
◼ Miomàna
◼ Manehoa fitiava-namana
◼ Omano ny fonao