Fomba Fanolorana Gazety
Tilikambo Fiambenana 15 Nov.
“Saika ny olona rehetra no te ho salama tsara sy ho ela velona. Ho tianao ve ny hiaina mandrakizay raha misy izany? [Avelao izy hamaly. Vakio ny Jaona 17:3.] Miresaka ity gazety ity fa mampanantena fiainana mandrakizay ny Baiboly. Hazavainy koa hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa ho tanteraka izany.”
Tilikambo Fiambenana 1 Des.
“Mahay manavaka ny tsara sy ratsy ny olona fa tsy tahaka ny biby. Mampalahelo anefa, fa olona maro no manao zava-dratsy. Inona no antony araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly. Vakio ny Jeremia 17:9 na Apokalypsy 12:9.] Resahin’ity gazety ity hoe inona no mety hanampy antsika hamantatra ny tsara sy hanao izany.”
Mifohaza! 8 Des.
“Zavatra betsaka no nanjary fantatra momba ny SIDA sy ny fitsaboana azy tao anatin’ny 20 taona lasa. Mbola maro anefa no diso hevitra momba azy io. [Asehoy ny efa-joro “Hevi-diso Momba ny SIDA”, avelao izy hilaza ny heviny.] Miresaka ity gazety ity hoe ahoana no hiarovan’ny ray aman-dreny ny zanany.” Vakio ny Deoteronomia 6:6, 7.