FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/05 p. 1
  • Antomotra ny Andron’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Antomotra ny Andron’i Jehovah
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Manatona ny fiafarany ireo herim-panjakana voalazan’ny tantara araka ny Baiboly!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Efa Mitondra Ilay Fanjakana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • “Aza Mitsahatra ny Miambina”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Goavana ara-paminaniana iray: hilaza inona ny fianjerany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 5/05 p. 1

Antomotra ny Andron’i Jehovah

1 Tsy andrin’ny Kristianina ny hiavian’ny andron’i Jehovah, izay handrava ity tontolo ity sy hitondra tontolo vaovao sy marina. (2 Pet. 3:12, 13) Tsy fantatsika anefa hoe rahoviana marina no ho avy io andro io, ka tsy maintsy miambina hatrany isika ary manampy ny hafa hanao toy izany koa. (Ezek. 33:7-9; Matio 24:42-44) Vao mainka isika hiaiky fa “efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah”, rehefa misaintsaina ny teny faminaniany.—Zef. 1:14.

2 Firenena matanjaka nifandimby: Niresaka momba ny “mpanjaka fito” ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy 17:9-11. Manondro firenena matanjaka fito nifandimby ireo mpanjaka ireo. Nolazainy koa ny amin’ny “mpanjaka laharana fahavalo”, izay tsy iza fa ny Firenena Mikambana. Mbola hisy firenena matanjaka hafa handimby azy io ve? Tsia, milaza ilay faminaniana fa “ho any amin’ny fandringanana” io mpanjaka fahavalo io, ary tsy misy firesahana mpanjaka olombelona intsony aorian’izay. Moa ve izany tsy manampy anao hahita hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana?

3 Manampy antsika hahatakatra ny fotoana hiavian’ny andron’i Jehovah ny Daniela 2:31-45. Manondro firenena matanjaka nifandimby ilay sariolona goavana nonofisin’i Nebokadnezara, tao amin’io faminaniana io. Efa nipoitra daholo ireo firenena ireo. Aiza ho aiza eo amin’ny tantara àry no misy antsika izao? Eo amin’ny tongotr’ilay sariolona. Voalaza tsara ao amin’ilay faminaniana ny zavatra hitranga avy eo. Horinganina tanteraka ny fitondram-panjakan’olombelona, ary ‘fanjakana iray tsy ho rava mandrakizay’ no hasolo azy. Tsy mampiseho ve izany fa efa tena antomotra ny andron’i Jehovah?

4 Porofo fanampiny: Misy porofo fanampiny koa manamarina fa antomotra ny andron’i Jehovah. Hitantsika fa tanteraka ny voalazan’ny apostoly Paoly momba ny toetran’ny olona “amin’ny andro farany.” (2 Tim. 3:1-5) Mandray anjara amin’ny fitoriana eran-tany, izay tsy maintsy vita alohan’ny hahatongavan’ny farany, koa isika. (Matio 24:14) Enga anie ny fanompoantsika hampiharihary hatrany fa maika hanambara toa an’ilay anjely koa isika hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany.”—Apok. 14:6, 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara