FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/14 p. 1
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Haneho Fiahiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Haneho Fiahiana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Hahay Hampifanara-javatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Aoka Ianao Hiahy ny Olona, ka Manomàna Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Mahaiza Mandinika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • “Vonona ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 11/14 p. 1

Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Haneho Fiahiana

Nahoana izany no tena ilaina? Niahy ny olona tsirairay sy tsara fanahy taminy i Jesosy. Te hanasitrana lehilahy iray marenina, ohatra, izy, indray mandeha. Tsapany angamba hoe tsy nahazo aina ilay lehilahy. Nentiny nitokana àry izy rehefa hositraniny, amin’izay ny olona tsy mijerijery be azy. (Mar. 7:31-35) Niahy ny mpianany koa i Jesosy. Nanaiky izy fa voafetra ny zavatra takatr’izy ireo, ka tsy nototofany fanazavana be loatra izy ireo. (Jaona 16:12) Na dia efa any an-danitra aza izy, dia mbola miahy ny olona ihany. (2 Tim. 4:17) Te hanahaka azy isika, satria mpanara-dia azy. (1 Pet. 2:21; 1 Jaona 3:16, 18) Hahita vokatra kokoa isika raha miahy ny olona itoriantsika. Tokony hoheverintsika ho zava-dehibe ny toe-javatra misy azy sy ny zavatra mahaliana azy ary ny zavatra mampanahy azy. Azo antoka fa hihaino antsika izy raha tsapany hoe tena miahy azy isika fa tsy tonga mba hitory na hametraka boky fotsiny.

Ahoana no hanaovana azy?

  • Manomàna tsara. Aoka ianao ho tony, mitsikia, ary miezaha ho tsara fanahy.

  • Mahaiza mandinika. Manan-janaka ve izy? Tia mamboly na miompy ve izy? Manana ny fivavahany ve izy? Ampifanaraho amin’izay zavatra hitanao avy eo ny fampidiran-dresakao.

  • Anontanio ny heviny, dia henoy tsara ny teniny fa aza tapatapahina. Jereo izy mba hampisehoana hoe mihaino azy ianao. Isaory izy rehefa avy mamaly, ary derao raha hitanao hoe mendrika an’izany. Aza tia miady hevitra.

  • Ampifanaraho amin’ny zava-misy ny zavatra resahinao. Izay mampanahy azy, ohatra, resahina raha ilaina izany. Tsy sarotra izany, satria efa misy foto-kevitra isan-karazany ao amin’ny taratasy mivalona sy bokikely ary gazety ampiasaintsika. Raha tsy nety tamin’ilay olona ny fotoana nahatongavanao satria, ohatra, hoe mbola sahirana be izy, dia ataovy fohy ny resaka.

Andramo izao amin’ity volana ity:

  • Rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ianareo, na rehefa miara-manompo amin’ny mpitory hafa, dia manaova fanazaran-tena hoe ahoana no hampifanarahana ny resaka amin’izay lazain’ny olona itoriana.

  • Raha mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana ianao, dia azonao resahina na asaina atao fampisehoana hoe ahoana no hanehoana fiahiana ny olona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara