Nahoana no Mihazona Fandraisana An-tsoratra An’ireo Tsy Tratra An-trano?
1 Teny amin’ny saha fanompoana vao maraina ny mpivady Vavolombelona iray. Tatỳ aoriana kokoa tamin’io andro io ihany, dia niverina nitsidika an’ireo tsy tratra an-trano tao amin’io faritany io izy ireo. Nanasa azy ireo hiditra ny lehilahy iray ary nanongilan-tsofina. Nandray boky Hiaina Mandrakizay iray izy ary nanontany raha hiverina ireo Vavolombelona. Mbola tsy niresaka mihitsy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy hatramin’izay ary nanana fanontaniana maro niriny hovaliana; natomboka ny fianarana Baiboly iray. Dibo-kafaliana io mpivady io nahita olona azo ampitahaina amin’ny ondry toy izany. Ho tianao ve ny hahita fanandraman-javatra tahaka izany? Ny fihazonana fandraisana an-tsoratra tsara an’ireo tsy tratra an-trano sy ny fiverenana avy hatrany dia mety hahatonga anao hahita zavatra toy izany koa.
2 Efa imbetsaka isika no nampirisihina mafy mba hihazona fandraisana an-tsoratra araka ny marina an’ireo tsy tratra an-trano sy hiverina hitsidika haingana azy ireny. Araka ny asehon’ilay fanandraman-javatra etsy ambony dia mety hitondra vokatra faran’izay tsara ny fitsidihana hafa atao androtr’iny ihany. Na dia mety hifantoka amin’ny fiasana ny faritany nanendrena antsika aza isika, dia angamba isika tsy mazoto toy izany amin’ny fihazonana fandraisana an-tsoratra an’ireo izay tsy tratra ao an-tranony. Milaza ny sasany hoe: ‘Miasa ny faritaninay isaky roa na telo herinandro izahay; tsy misy ilana ny hihazonana fandraisana an-tsoratra toy izany satria vetivety ihany izahay dia hiverina eny indray na ahoana na ahoana.’ Vao mainka anefa izany manome antsika antony hihazonana fandraisana an-tsoratra. Any amin’ny faritany voasa matetika, ny fanaovan-javatra bebe kokoa amin’ireo tsy tratra an-trano dia mahatonga antsika hanao zavatra amin’ny fomba feno kokoa eo am-pikarohana ny olona mendrika. Ahoana izany?
3 Any amin’ny faritra maro, dia ny 50 isan-jato na mahery, amin’ny mponina no tsy ao an-trano mandritra ny andro. Koa raha ny marina àry, dia manao izay hampisy faritany bebe kokoa isika amin’ny fifantohana bebe kokoa amin’ireo tsy tratra an-trano. Na dia mahalana aza vao iasana ny faritany, dia afaka manatsara ny vokatra isika rehefa misy ezaka atao mba hanatratrarana ny rehetra, alohan’ny hanamarihana an’ilay faritany hoe voasa.
4 Ny fitsidihana an’ireo tsy tratra an-trano mazàna dia azo alamina ho amin’ny andro hafa, tsara kokoa raha ao anatin’ny herinandro iray. Hitan’ny maro fa tsara kokoa ny miverina amin’ny andro sy ora hafa noho ny tamin’ny nanaovana ilay fitsidihana voalohany. Mety hifidy ny hampiasa fotoana sasany amin’ny asabotsy na alahady mba hanaovan-javatra bebe kokoa amin’ireo tsy tratra an-trano nomarihina nandritra ny herinandro ianao. Na koa, kongregasiona maro no mahita fa ny fanaovana fitsidihana toy izany tamin’ny takariva dia nahitam-bokatra. Mety hahita maherin’ny antsasak’ireo mponina, ao an-tranony, izy ireo.
5 Tokony hanao lisitry ny fiverenana mitsidika ao amin’ny fandraisan’ny tenanao an-tsoratra manokana ianao. Raha tsy afaka miverina any amin’izay tsy nahatratrarana na iza na iza tao an-trano ianao, ny fandraisanao an-tsoratra ireo tsy tratra an-trano dia tokony homena an’ilay rahalahy nitarika an’ilay antokon’olona, mba hampiasain’ny antokon’olona manaraka handeha ho eny amin’ilay faritany.
6 Ny fanisiana fiheverana akaiky kokoa an’io lafiny amin’ny fanompoantsika io dia afaka mampitombo ny vokatra azontsika mbamin’ny fifaliantsika. Izany dia afaka manome antsika ilay fahafaham-po azo avy amin’ny fahafantarana fa manao zavatra amin’ny fomba feno isika eo am-pikarohana sy eo am-pikarakarana ireo olona azo ampitahaina amin’ny ondry. — Ezek. 34:11-14.