Ampiofano ny Zanakao
1. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny, rehefa jerena ny Salamo 148:12, 13?
1 Tian’i Jehovah hidera azy ny ankizy. (Sal. 148:12, 13) Tsy ampy àry raha ampianarina ny fahamarinana sy ho tsara fitondran-tena fotsiny izy ireo, fa tokony hampiofanina hitory koa. Ahoana no hanaovana izany tsikelikely?
2. Misy vokany eo amin’ny ankizy ve ny modely omen’ny ray aman-dreny?
2 Ohatra tsara: Hoy i Gideona Mpitsara tamin’ireo miaramilany 300 lahy: “Jereo aho, ka ianaro izay hataoko.” (Mpits. 7:17) Mijery ny ray aman-dreniny koa ny ankizy, ary maka tahaka azy ireo. Miasa alina ny raim-pianakaviana iray. Reraka be izy rehefa tonga ao an-trano ny asabotsy maraina. Tsy matory anefa izy, fa mitondra ny zanany manompo. Na tsy miteny aza izy, dia tsapan’ny ankizy fa zava-dehibe ny fanompoana. (Mat. 6:33) Hitan’ny zanakao ve hoe tia mivavaka ianao ary falifaly rehefa mitory, manome valin-teny, sy mamaky Baiboly? Marina fa tsy ho lavorary ianao. Ho vonona kokoa hanompo an’i Jehovah anefa ny zanakao, raha sady mampianatra azy ianao no manome modely.—Deot. 6:6, 7; Rom. 2:21, 22.
3. Inona avy ireo tanjona azon’ny ankizy tratrarina tsikelikely?
3 Mandroso tsikelikely: Mampianatra ny zanany foana ny ray aman-dreny. Ampianariny handeha izy, hiteny, hiakanjo irery, sy ny sisa. Raha vao mahay zavatra iray ilay zaza, dia ampirisihiny hianatra zavatra hafa indray. Mampirisika ny zanany hanatratra tanjona ara-panahy ny Kristianina, ary ataony arakaraka ny taonany sy ny fahaizany izany. (1 Kor. 9:26) Ampianarinao ve ny zanakao mba hanome valin-teny amin’ny fomba fiteniny sy hanomana ny anjarany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana? (Sal. 35:18) Ampiofaninao amin’ireo lafim-panompoana samihafa ve izy? Ampirisihinao ve izy mba hanao tanjona ny batisa sy ny fanompoana manontolo andro? Ataonao ve izay hifaneraserany amin’ny mpitory falifaly sy be zotom-po, izay afaka mandrisika azy?—Ohab. 13:20.
4. Nahoana ny ankizy no tokony hampiofanina dieny mbola kely?
4 Hoy ny mpanao salamo: “Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô, ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny asanao mahatalanjona foana.” (Sal. 71:17) Ampiofano hitory ny zanakao dieny mbola kely. Hoentiny mandra-pahalehibeny mantsy izay zavatra ampiofaninao azy dieny izao!—Ohab. 22:6.