Araho ny Modely Nomen’i Jesosy
1. Inona no modely nomen’i Jesosy?
1 Tsy maintsy mitadidy isika rehefa mampianatra Baiboly, fa misy heriny lehibe eo amin’ireo olona mandinika antsika ny modely omentsika. Nampianatra tamin’ny alalan’ny teniny sy ny fitondran-tenany i Jesosy. Voamariky ny olona nandinika azy fa be zotom-po izy, tia olona, naniry hanamasina ny anaran’ny Rainy, ary tapa-kevitra hanao ny sitrapon’io Rainy io.—1 Pet. 2:21.
2. Inona avy no mety ho vokatry ny modely omentsika eo amin’ireo miara-manompo amintsika?
2 Rehefa mitory isan-trano: Misy heriny eo amin’ny olona miara-manompo amintsika koa ny modely omentsika. Handinika ny lafiny azony hatsaraina eo amin’ny fanompoany ireo mpitory vaovao sy ireo tsy za-draharaha, rehefa mahita ny fahazotoantsika manompo. Rehefa tsikaritr’izy ireo fa faly sy tena miahy ny olona itoriantsika isika, dia ho tsapany fa mila manana an’izany toetra izany koa izy. Ho voamarik’izy ireo ny fahazotoantsika mampiasa ny Soratra Masina sy manao fiverenana mitsidika ary mitarika fampianarana Baiboly, ka hanao toy izany koa izy ireo.
3. Inona no ianaran’ny olona ampianarintsika avy amin’ny modely omentsika, ary inona no mety ho soa raisiny avy amin’izany?
3 Rehefa mampianatra Baiboly: Ireo olona ampianarintsika Baiboly no tena handinika izay ataontsika. Mety hilaza aminy, ohatra, isika fa tena ilaina ny manomana ny fianarana sy mijery ireo andinin-teny, ary manipika ny hevi-dehibe. Voaomana ve anefa ny bokintsika? Ho hitan’ilay mpianatra izany. (Rom. 2:21) Raha marim-potoana isika rehefa mampianatra azy, dia tsy halaim-panahy hanao zavatra hafa izy amin’ilay fotoana fianarana. Azo inoana koa fa ho hitany hoe mahafoy tena amin’ny fanompoana isika, sady manana finoana matanjaka. Tsy mahagaga àry raha matetika no lasa mpitory mazoto sy mahita vokatra, ny mpianatr’ireo mpitory manaraka tsara ny modely nomen’i Jesosy.
4. Inona no ianaran’ny hafa avy amin’ny modely omentsika any am-pivoriana?
4 Rehefa mivory: Tokony ho modely ny Kristianina rehetra, any am-pivoriana. Mandray soa avy amin’ny ohatra tsara hitany eo anivon’ny fiangonana, ireo olona liana vao manomboka mivory. Ho voamarik’izy ireo fa mifandray tsara sy miray saina ireo rahalahy sy anabavy kristianina, ary maotina ny fitafiany sy ny taovolony. (Sal. 133:1) Ho hitany isika hoe mivory tsy tapaka, sy manambara ampahibemaso ny finoantsika mandritra ny fivoriana. Nisy olona iray, ohatra, nanatrika ny fivoriantsika. Hitany fa kinga erỳ ny ankizivavy kely iray nitady andinin-teny tao amin’ny Baiboly, ary nanaraka tsara ny famakiana izany avy eo. Naniry hianatra Baiboly io olona io noho izany.
5. Nahoana no tokony hotadidintsika foana fa tena misy heriny ny modely omentsika?
5 Mampirisika antsika ny Soratra Masina mba hanahaka ny ohatra tsara omen’ny hafa. (Fil. 3:17; Heb. 13:7) Tokony hotadidintsika fa raha manaraka tsara ny modely nomen’i Jesosy isika, dia ho hitan’ny hafa izany ary hisy vokany tsara eo aminy. Aoka àry isika handray am-po ity teny ao amin’ny 1 Timoty 4:16 ity: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao.”