FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/08 p. 4
  • Ampio Ireo Olona Manatrika ny Fahatsiarovana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Ireo Olona Manatrika ny Fahatsiarovana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Hisy Fitoriana Lehibe Amin’io
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Raiso Tsara Izy Ireo!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • “Ataovy Hatrany Izao ho Fahatsiarovana Ahy”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Vonona ho Amin’ilay Andro Lehibe Indrindra Anatin’ny Taona ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 3/08 p. 4

Ampio Ireo Olona Manatrika ny Fahatsiarovana

1. Inona avy no zavatra ho hita sy ho ren’ireo olona hanatrika ny Fahatsiarovana?

1 Olona an-tapitrisany, eran-tany, no hiana-javatra betsaka, amin’ny 22 Martsa 2008. Ho ren’izy ireo amin’ny lahateny, fa tena be fitiavana i Jehovah ka nanome ny vidim-panavotana ho an’ny olombelona. (Jaona 3:16) Hisy koa fanazavana momba ilay Fanjakana sy ny fomba hampiasan’i Jehovah azy io mba hanatanterahany ny fikasany momba ny tany. (Matio 6:9, 10) Ho hitan’izy ireo koa fa mifankatia sy miray saina ny vahoakan’Andriamanitra, ary ho tsapany fa noraisina tamim-pitiavana izy.—Sal. 133:1.

2. Ahoana no anampiana an’ireo mpianatra Baiboly manatrika ny Fahatsiarovana?

2 Mpianatra Baiboly: Olona nampianarintsika vao haingana ny sasany amin’ny mpanatrika. Ampifankahalalao amin’ireo rahalahy sy anabavy izy. Hazavao aminy ireo fivoriana atao mandritra ny herinandro. Hampirisika ny olona efa mianatra Baiboly hanao fandrosoana ny mpandahateny, ka azonao ampahatsiahivina azy ny tenin’ilay rahalahy mba hampaherezana azy.

3. Inona no azo atao mba hampaherezana an’ireo tsy mitory intsony?

3 Ireo tsy mitory intsony: Mety hanatrika eo koa ireo tsy mitory intsony. Hatòny izy ireny, ary raiso amim-pitiavana. Aza milaza na manontany zavatra mety hahasanganehana azy. Tokony hitsidika azy ireo ny anti-panahy andro vitsivitsy atỳ aoriana, hidera azy noho ny ezaka nataony, ary hanasa azy amim-pitiavana mba hanatrika ny fivoriana manaraka.

4. Ahoana no azontsika tsirairay atao mba hanampiana an’ireo olona nasaina?

4 Olona nasaina: Olom-pantatra nasaintsika na havantsika, ny sasany amin’ny mpanatrika. Mety ho nahazo fanasana nandritra ilay ezaka manokana kosa ny hafa. Raha mahita olona tsy fantatrao ianao, dia hatòny izy, lazao azy ny anaranao, ary raiso tsara izy. Sambany angamba izy vao nanatrika ny fivoriantsika. Mety hahita fomba hihaonana aminy indray ianao, amin’ny resaka ifanaovanareo. Afaka mampirisika azy hianatra Baiboly ianao, rehefa mitsidika azy na mitelefaonina azy, andro vitsivitsy aorian’ny Fahatsiarovana.

5. Inona no azontsika atao mba hanombohana fampianarana Baiboly?

5 Azonao resahina ny zavatra nolazain’ilay mpandahateny, rehefa miverina mitsidika ianao, mba hahafahanao hanolotra ny boky Ampianarina. Hamaky ny Isaia 65:21-23, ohatra, ilay mpandahateny. Azonao resahina izany ary avy eo ianao milaza hoe: “Horesahiko anao koa ny soa hafa raisintsika noho ny vidim-panavotana.” Resaho avy eo ny boky Ampianarina pejy 4-5. Na afaka milaza ianao hoe: “Maro no mieritreritra hoe mba rahoviana ihany àry no ho tanteraka ny faminanian’i Isaia.” Diniho avy eo ny toko faha-9, fehintsoratra 1-3. Na azonao atao koa ny mampahatsiahy ny zavatra nolazain’ny mpandahateny, ary avy eo manolotra ny boky Ampianarina sy manoro ny fomba fianarana azy io.

6. Inona avy no azontsika atao ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy hahatsiaro ny nahafatesany?

6 Enga anie ny tsirairay avy amintsika hitady fomba hanampiana an’ireo olona tonga manatrika ny Fahatsiarovana, na mpianatra Baiboly izy, na tsy mitory intsony, na olona nasaina. (Lioka 22:19) Azo antoka fa hotahin’i Jehovah ny ezaka fanampiny ataontsika eo amin’ny fanompoana azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara