Raiso Tsara Izy Ireo!
1. Rahoviana isika no tena afaka mitory, ary nahoana?
1 Fotoana mety tsara hitoriana ny Fahatsiarovana. Maherin’ny folo tapitrisa ny olona vaovao antenaina hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Ho fantatr’izy ireo amin’izay hoe tsy misy be fitiavana noho i Jehovah sy Jesosy, satria nanome antsika ny vidim-panavotana izy ireo. (Jaona 3:16; 15:13) Ho fantatr’izy ireo koa ny soa azo avy amin’izany. (Isaia 65:21-23) Tsy ny mpandahateny ihany anefa no ho afaka hitory amin’io. Ho afaka hitory koa isika rehetra rehefa mandray tsara an’izay vaovao tonga.—Rom. 15:7.
2. Inona no tokony hataontsika mba handraisana tsara ny olona vaovao?
2 Nahoana raha miezaka hifankahalala amin’izay eo akaikinao, fa tsy mipetraka fotsiny miandry ny fandaharana hanomboka? Mety tsy hahazo aina ny olona vaovao, ary mety tsy ho azony an-tsaina akory aza izay tena hitranga. Raha mitsikitsiky anefa ianao sady mandray azy tsara, dia hahazo aina kokoa izy. Azonao anontaniana koa izy raha sambany vao manatrika fivoriana na efa mahalala olona ao amin’ny fiangonana. Raha tsy mahalala na iza na iza izy, dia azonao atao ny manasa azy hiara-mipetraka aminao. Ho afaka hitambatra Baiboly sy fihirana ianareo amin’izay. Azonao entina mijerijery ny Efitrano Fanjakana izy raha ao no atao ny Fahatsiarovana. Rehefa vita ny fandaharana, dia lazao izy hoe afaka mamaly ny fanontaniany ianao. Raha mila miala haingana ianareo mba hidiran’ny fiangonana manaraka, dia azo atao ny milaza hoe: “Ahoana no fahitanao an’ilay fandaharana teo? Ahoana no hihaonantsika indray amin’ny manaraka?” Mifanaova fotoana mba hitsidihana azy. Raha misy olona tsy mitory intsony koa tonga manatrika Fahatsiarovana, dia tokony hampahery azy isika, indrindra fa ny anti-panahy.
3. Nahoana isika no tokony hiezaka handray tsara an’izay vaovao manatrika Fahatsiarovana?
3 Falifaly sy mifankatia ary miray saina ao amin’ny paradisa ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah. Sambany amin’io vao mba hahatsapa an’izany ireo vaovao. (Sal. 29:11; Isaia 11:6-9; 65:13, 14) Inona àry no hotadidin’izy ireo rehefa avy manatrika Fahatsiarovana? Hiankina be dia be amin’ny ezaka ataontsika mba handraisana tsara azy ireo izany.