‘Ataovy Noho ny Vaovao Tsara ny Zava-drehetra’
1. Vonona hanao inona ny mpitory, ary nahoana?
1 Nihevitra ny apostoly Paoly fa adidiny ny nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa. (1 Kor. 9:16, 19, 23) Vonona koa isika hanao ezaka manokana mba hitoriana ny vaovao tsara, satria tiantsika handray soa mandrakizay ny hafa.
2. Inona no fanovana mety hilaina hatao rehefa mitory, ary nahoana?
2 Mitoria any amin’izay misy olona sy amin’ny fotoana mety aminy: Tsy manarato any amin’ny toerana tiany sy amin’ny fotoana mety aminy ny mpanarato mahay, fa any amin’ny toerana be trondro sy amin’ny fotoana ahitana azy ireo. Izany koa no ataontsika “mpanarato olona.” Mila manova ny fandaharam-potoanantsika angamba isika, mba hahitana ny olona ao amin’ny faritany. Amin’izay isika dia ho faly kokoa manangona ny “karazan-trondro rehetra.” (Mat. 4:19; 13:47) Vonona hanatratra ny olona ao an-tranony rehefa harivariva ve isika, na hitory eny an-dalana vao maraina be? Ny “hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara” no tanjon’i Paoly, ka nanararaotra ny fotoana rehetra izy.—Asa. 17:17; 20:20, 24.
3, 4. Ahoana no azo ampifanarahana ny fitorintsika amin’izay ilain’ny olona, ary inona no vokany?
3 Ovaovay ny fomba fitorinao: Matetika ny mpanarato no manovaova ny fomba fiasany, mba hahazoany karazan-trondro iray. Ahoana no atao mba hahatonga ny vaovao tsara hanintona kokoa? Hevitra mety hahaliana ny olon-drehetra aloha resahina, ary aoka ianao hahalala fomba sy ho tsara fanahy rehefa manao izany. Henoy tsara avy eo izay lazainy. (Jak. 1:19) Mametraha fanontaniana hahatonga azy hilaza ny heviny. (Ohab. 20:5) Ho azontsika atao amin’izay ny mampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay ilain’ilay olona. “Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” i Paoly. (1 Kor. 9:22) Ho afaka hanohina ny fon’ny olona koa àry isika, raha manovaova ny fomba fitorintsika.
4 Mahafaly tokoa ny mitory amin’ny olona ny “vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa”! (Isaia 52:7) Aoka àry ‘hataontsika noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra’ mba hitoriana amin’ny olona faran’izay betsaka.—1 Kor. 9:23.