Ataovy Tsotra ny Fomba Fampianatrao
1. Inona no tena ilaina raha tiantsika hahomby ny fomba fampianarantsika?
1 Tokony hatao tsotra ny fomba fampianarantsika raha tiantsika hahomby. Hihatsara ny ‘fahaizantsika mampianatra’, raha mandinika ny nataon’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, isika.—2 Tim. 4:2; Jaona 13:13.
2. Inona no atao hoe fomba fampianatra tsotra, ary inona no ho vokatr’izany?
2 Mampiasà teny tsotra: Fahamarinana tena lalina no hita ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra nataon’i Jesosy. Tsotra anefa ny fomba nilazany azy ireny. (Mat. toko 5-7) “Nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianany.” Nahateny toy izao mihitsy ireo miaramila nasaina nisambotra azy: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.” (Mat. 7:28, 29; Jaona 7:46) Tsy mila mampiasa teny mipoapoaka sy sarotra àry isika, na mampiasa fanoharana be tsipiriany mba hahatonga ny olona hanaiky ny fahamarinana. Azo atao tsara ny manazava ny fahamarinana amin’ny teny tsotra.
3. Nahoana ny mpitory sasany no mitady hanazava zavatra be loatra? Inona no hanampy azy tsy hanao izany?
3 Mahaiza mandanjalanja: Nanisy fiheverana ny mpihaino azy i Jesosy, ka nofaritany mialoha izay fanazavana homeny azy ireo. (Jaona 16:12) Tokony handinika tsara koa isika ary hahay handanjalanja, indrindra rehefa mitory amin’ny havana, ny olona liana, na ny ankizy. Tokony hitandrina isika mba tsy hanazava zavatra be loatra, na dia toa mihaino tsara aza izy ireo. Mbola hianatra hahalala an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ihany ilay olona raha tso-po.—Jaona 17:3; 1 Kor. 3:6.
4. Nahoana no tsara ny mifantoka amin’ny hevi-dehibe fa tsy amin’ny tsipirian-javatra?
4 Mifantoha amin’ny hevi-dehibe: Tsy nanome tsipiriany be loatra i Jesosy, mba ho mora azo ny fampianarany. Tsy nanazava be momba izay hiafaran’ireo hatsangana amin’ny maty, ohatra, izy, rehefa niteny hoe: ‘Hivoaka izay rehetra any am-pasana.’ (Jaona 5:28, 29) Tokony hifantoka amin’ny hevi-dehibe koa isika rehefa mampianatra, fa tsy hampiditra fanazavana tsy resahin’ilay boky.
5. Inona no fitahiana ho azontsika, raha tsotra ny fomba fampianarantsika?
5 Tena misaotra an’i Jehovah isika, satria nampianariny tamin’ny fomba tsotra izay tokony ho fantatsika! (Mat. 11:25) Enga anie ho tsotra koa ny fomba fampianarantsika, ka ho faly isika satria mahomby ny fanompoantsika!