Asehoy ny Fankasitrahanao An’ilay Fanomezana Tsara Indrindra
1. Nahoana isika no tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah?
1 Maro ny “fanomezana tsara” avy amin’i Jehovah. Ny vidim-panavotana nomeny tamin’ny alalan’ny zanaka malalany anefa no tsara indrindra. (Jak. 1:17) Be dia be ny soa azontsika avy amin’izy io, anisan’izany ny famelana ny helotsika. (Efes. 1:7) Velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho io fanomezana sarobidy io. Manam-potoana tsara hisaintsainana azy io isika, mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana.
2. Inona no azo atao mba hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana isika sy ny fianakaviantsika?
2 Miezaha hankasitraka kokoa: Amin’ny 30 Martsa ny Fahatsiarovana. Nahoana raha mandinika fanazavana momba ny vidim-panavotana amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakavianareo, mandritra ny herinandro vitsivitsy alohan’ny Fahatsiarovana? Hahatonga anareo hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana izany. Iaraho mamaky isan’andro koa ireo andinin-teny natao hovakina amin’ny Fahatsiarovana. Saintsaino ny soa raisinao noho ny vidim-panavotana, sy ny vokatr’izy io eo amin’ny fiheveranao an’i Jehovah, ny tenanao, ny hafa, ary ny hoavy. Ianaro dieny izao koa ireo hira vaovao roa hatao amin’ny Fahatsiarovana, dia ny hira faha-8 sy 109.—Sal. 77:12.
3. Ahoana no azontsika anehoana ny fankasitrahantsika?
3 Asehoy ny fankasitrahanao: Raha mankasitraka ny vidim-panavotana isika, dia ho voatosika hiresaka amin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny fitiavana lehibe nasehony tamin’ny nanirahany ny Zanany. (Sal. 145:2-7) Miezaka ny fianakaviana sasany mba hisy olona iray ao an-trano, fara fahakeliny, hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, mandritra ny Martsa sy Aprily ary Mey. Raha tsy mety izany, nahoana raha ‘manararaotra tsara ny fotoana’ ka mampitombo ny fanompoana? (Efes. 5:16) Hanasa ny hafa hanatrika ny Fahatsiarovana koa isika, raha mankasitraka ny vidim-panavotana. (Apok. 22:17) Ataovy lisitra ny fiverenana mitsidika, mpianatra Baiboly, havana, mpiara-miasa, ary mpiray tanàna tianao hasaina. Mazotoa avy eo mizara ilay fanasana.
4. Ahoana no hampiasantsika tsara ny fotoanantsika amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana?
4 Azontsika aseho indray, amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, fa tena mankasitraka ny fanomezana nataon’i Jehovah ho an’ny olombelona isika. Ampiasao tsara àry io fotoana io, ka ataovy izay hahatonga anao hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana sy “ny harena tsy hita fetran’i Kristy”, ary asehoy ny fankasitrahanao.—Efes. 3:8.