Aoka Ianao ho Mailaka Hanasa Olona Hianatra Baiboly
1. Inona no tokony hatao mba hanarahana an’ilay didin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20?
1 Nandidy antsika ‘hanao mpianatra’ i Jesosy. (Mat. 28:19, 20) Tiantsika àry ny ho mailaka foana hanasa olona hianatra Baiboly, tsy amin’ilay andro manokana fanaovana izany ihany fa amin’ny fotoana rehetra. Ireto misy soso-kevitra mety hanampy.
2. Iza avy no azontsika asaina hianatra Baiboly?
2 Asao ny olona: Arakaraka ny hanasantsika ny olona hianatra Baiboly no hahazoantsika mpianatra. (Mpito. 11:6) Efa nanandrana nanasa mivantana ny olona mba hianatra Baiboly ve ianao? Izany no ezaka manokana nataon’ny fiangonana iray tany Etazonia nandritra ny iray volana. Faly erỳ izy ireo nanomboka fampianarana Baiboly 42! Aza mihevitra hoe efa fantatry ny olona liana fa mampianatra Baiboly ianao. Nahoana raha manasa azy hianatra, amin’ny fiverenanao manaraka? Tsy maninona na mandà aza izy. Mbola afaka manolokolo ny fahalianany foana ianao. Efa nanontanianao ve raha te hianatra Baiboly ny mpiray tanàna aminao, ny havanao, ny mpiara-miasa aminao, ary ny mpiara-mianatra aminao? Azonao anontaniana koa ny olona ampianarinao Baiboly, raha misy havany na namany te hianatra Baiboly.
3. Inona no fitaovana hanampy antsika hanomboka fampianarana Baiboly, ary rahoviana isika no afaka mampiasa azy io?
3 Fitaovana tsara: Tena manampy mba hanombohana fampianarana Baiboly ny taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina. Azonao omena azy io ny olona itorianao, na nandray boky na gazety hafa izy na tsia. Azo ampiasaina izy io any amin’ny faritany be toeram-piasana sy eny an-dalana, ary rehefa mitory an-taratasy na miverina mitsidika. Azo apetraka eo am-baravaran’izay tsy tratra an-trano koa ilay izy. Nahoana raha mitondra azy io rehefa mandeha fitateram-bahoaka na miantsena na any am-piasana? Hazavaina ao amin’ny pejy farany ny fampianarana Baiboly ataontsika ary aseho ao ny boky Ampianarina.
4. Ahoana no azo anombohana fampianarana Baiboly amin’ilay taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina?
4 Omeo an’ilay olona ilay taratasy mivalona, ary asehoy ireo fanontaniana eo amin’ny pejy voalohany. Anontanio izy hoe: “Iza amin’ireo no tena mahaliana anao?”, ary iaraho mijery ny valiny ao amin’ilay taratasy mivalona. Vakio na hazavao ny hevitra eo amin’ny pejy farany, izay manazava ny fomba fampianarantsika Baiboly. Azonao aseho azy avy eo hoe aiza ho aiza ao amin’ny boky Ampianarina no tena manazava an’ilay hevitra mahaliana azy. Atolory ilay boky, ary mangataha fotoana hiverenana mba hanohizana ny resaka.
5. Nahoana isika no tokony ho mailaka hanasa olona hianatra Baiboly?
5 Mbola misy olona maniry hahalala izay tena ampianarin’ny Baiboly, ao amin’ny faritanintsika. Hitombo ny fifaliantsika raha mailaka hanasa olona hianatra Baiboly isika, ka hanampy azy ireo handeha amin’ny lalan’ny fiainana.—Mat. 7:13, 14.