Fomba Azo Ampiasana ny Bokikely Voalazan’ny Baiboly
Maro ny olona tsy mahalala Baiboly, indrindra fa ireo tsy anisan’ny Fivavahana Kristianina. Mampianatra amin’ny boky Ampianarina ny mpitory sasany, sady mampiasa ny bokikely Voalazan’ny Baiboly mba hanampiana ny mpianany hahalala ny votoatin’ny Baiboly. Miresaka ny toko 1 amin’ilay bokikely, ohatra, ny rahalahy iray rehefa vita ny toko 3 amin’ny boky Ampianarina. Miresaka toko iray hafa izy, aorian’izay, isaky vita ny fianarana. Miara-mianatra Baiboly amin’ny olona tsy dia mahalala na tsy mahalala Baiboly mihitsy ve ianao? Ampiasao koa àry ny bokikely Voalazan’ny Baiboly, rehefa mampianatra amin’ny boky Ampianarina ianao, mba hanampiana an’ilay mpianatra hahalala ny ‘Soratra Masina, izay hampahahendry azy ho amin’ny famonjena.’—2 Tim. 3:15.