Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Jolay
Vakio ny Isaia 42:8 ary milazà hoe: “Hitantsika eo fa manana anarana Andriamanitra. Araka ny hevitrao, zava-dehibe ve ny ampiasantsika azy io? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ity gazety ity.” Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona ary iaraho midinika ny fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy 16. Atolory ireo gazety ary mifanaova fotoana handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona
“Mba te hanontany kely ny hevitrao aho. [Sokafy eo amin’ny pejy 3 ilay gazety ary asehoy ilay lisitra.] Iza amin’ireto no hitanao hoe tena mahalaza ny Baiboly? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ny Baiboly momba ny tenany. [Vakio ny Romanina 15:4.] Resahin’ity gazety ity ny zavatra dimy mampiavaka ny Baiboly ary hazavainy hoe nahoana izy io no mahasoa antsika.”
Mifohaza! Jona
“Olona an-tapitrisany isan-taona no marary satria mihinana sakafo tsy azo antoka. Araka ny hevitrao, azo antoka ve ny sakafo etỳ amintsika? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity ny fomba efatra hiarovantsika ny fianakaviantsika amin’ny aretina avy amin’ny sakafo. Hazavaina ato koa ny fampanantenan’ny Baiboly hoe tsy ho ela dia hahazo sakafo tondraka sy mahasalama ny rehetra.” Vakio ny Salamo 104:14, 15.