Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Jona
“Efa noeritreretinao ve hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny zavatra ratsy sy ny fijaliana? [Avelao izy hamaly.] Ity misy hevitra mahaliana momba izany.” Vakio ireo fehintsoratra eo ambanin’ny fanontaniana 1, eo amin’ny pejy 16 amin’ny Tilikambo 1 Mey. Mamakia andininy iray. Atolory ireo gazety, ary manaova fotoana mba hamaliana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey
Vakio ny Salamo 37:10, 11. Milazà hoe: “Araka ny hevitrao, tsy ho ela ve dia ho tanteraka izany, ary isika izao mihitsy no hahita azy? [Avelao izy hamaly.] Manazava faminaniana enina tanteraka amin’izao fotoana izao ity gazety ity. Porofoin’izany fa tsy ho ela dia ho tanteraka ilay fampanantenana novakintsika teo.”
Mifohaza! Mey
“Misy milaza fa avy amin’ny biby ny olona, saingy lasa nivoatra be. Mitombina ve izany aminao? [Avelao izy hamaly. Vakio ny Salamo 139:14.] Mbola tsy nahalala firy momba ny vatan’olombelona ny mpanao salamo. Efa betsaka anefa ny zavatra fantatsika izao, anisan’izany ireo lafiny mampiavaka antsika amin’ny biby. Manazava izany ity gazety ity.”