Ampio ny Hafa mba Hihaino An’Andriamanitra
1. Inona ireo bokikely nivoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ho Tonga Anie ny Fanjakan’Andriamanitra!”, ary nahoana izy ireo no tena ilaina?
1 Nivoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ho Tonga Anie ny Fanjakan’Andriamanitra!” ny bokikely roa hoe Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao sy Mihainoa An’Andriamanitra. Tsy dia be soratra izy ireo ka mora nadika. Voadika tamin’ny fiteny 431 àry ilay hoe Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, tamin’izy io vao nivoaka.
2. Natao ho an’iza ireo bokikely ireo?
2 Natao ho an’iza avy ireo bokikely ireo? Izao matetika no fahita:
• Tsy dia mahay na tsy mahay mamaky teny mihitsy ny olona itoriana na tsidihina.
• Mampiasa fiteny hafa ny olona itoriana, nefa mbola vitsy kely na tsy misy mihitsy ny bokintsika amin’ilay fiteny. Na tsy mahay mamaky ny teny fampiasany ny ankamaroan’ny olona eo amin’ny faritany.
• Mitory amin’ny marenina ny mpitory iray ka mampiasa tenin’ny tanana.
• Tsy mbola mahay mamaky teny ny ankizikely iray nefa tian’ny ray aman-dreniny hampianarina ny fahamarinana.
3. Inona no hita ao amin’ny Mihainoa An’Andriamanitra?
3 Ny lafiny mampiavaka an’ireo bokikely ireo: Tsy dia be soratra ao amin’ilay hoe Mihainoa An’Andriamanitra. Fehezanteny tsotra sy andinin-teny iray monja matetika no hita eo amin’ny faran’ny pejy tsirairay misy ny hevi-dehibe. Nahoana? Eritrereto hoe nisy nanome bokikely ianao. Tsy hainao anefa ny mamaky ny fiteny na angamba ny endri-tsoratra nanoratana azy io. Hazoto handinika azy io ve ianao na dia feno sary tsara tarehy aza ao anatiny? Azo antoka fa tsia. Kivy toy izany koa ny olona tsy mahay mamaky teny rehefa mahita bokikely be soratra. Sary tsara tarehy àry no tena hita eo amin’ny pejy tsirairay. Misy marika koa eo amin’ny sary sasany manondro hoe iza no sary tokony hodinihina manaraka.
4. Inona no hita ao amin’ny Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao?
4 Ireo sary ao amin’io bokikely io ihany no hita ao amin’ilay hoe Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Natao hampianarana Baiboly ny olona tsy dia mahay mamaky teny na mianatra mamaky teny izy io. Azon’ny mpitory ampiasaina koa izy io na dia ilay Mihainoa An’Andriamanitra aza no ampiasain’ilay olona ampianariny. Misy fanontaniana eo am-piandohan’ny fianarana tsirairay, ary hita eo amin’ireo pejy roa misy ny fianarana ny valiny. Misy fanazavana sy andinin-teny miaraka amin’ny sary. Misy hevitra sy andinin-teny fanampiny koa eo amin’ny faran’ny fianarana sasany. Azo iarahana midinika ireo, arakaraka ny fahaizan’ilay mpianatra.
5. Rahoviana no azo atolotra ireo bokikely, ary amin’ny fomba ahoana?
5 Ny fomba fampiasa azy ireo: Azo atolotra amin’ny fitoriana isan-trano ireo bokikely ireo raha ilaina izany, na dia tsy zavatra atolotra amin’ny volana aza. (Jereo ilay efajoro hoe “Fomba Fanolorana Azy Ireo.”) Azo atolotra koa izy ireo rehefa miverina mitsidika ianao. Afaka milaza, ohatra, ianao hoe misy zavatra tianao haseho azy, dia omenao bokikely iray izy avy eo.
6. Ahoana no ampianarana Baiboly amin’ireo bokikely ireo?
6 Tsy fanontaniana sy valiny toy ny amin’ny boky Ampianarina no atao rehefa mampianatra amin’ny Mihainoa An’Andriamanitra, satria tsy misy fanontaniana ao. Ampiasao kosa ny sary mba hanazavana an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Tia mihaino tantara mantsy ny olona. Aoka ianao hafana fo rehefa manazava. Asao ilay mpianatra hilaza ny heviny. Vakio ny andinin-teny eo amin’ny faran’ny pejy, ary iaraho midinika avy eo. Mametraha fanontaniana mba hahalalana raha azony tsara ny fianarana. Ary ahoana raha ny Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao no ampiasainao? Iaraho mamaky ny fanazavana sy andinin-teny, rehefa mandinika ny sary ianareo.
7. Ahoana no anampiantsika ny mpianatra handroso?
7 Ampio handroso ireo mpianatra: Lasa te hianatra hamaky teny ny olona ampianarintsika, satria te hahafantatra bebe kokoa an’i Jehovah. (Mat. 5:3; Jaona 17:3) Raha manohy mianatra amin’ny Mihainoa An’Andriamanitra àry izy, dia mety ho azo ampianarina mamaky teny, ary afindra amin’ilay Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao ny fianarany avy eo. Na vita hatramin’ny farany aza anefa ny fianarany an’ireo bokikely ireo, dia mbola tsy mahafeno fepetra hatao batisa izy. Tokony hotohizina amin’ny boky Ampianarina na boky hafa ny fianarana, mba ho feno kokoa ny fahalalany.
8. Nahoana no faly isika nahazo an’ireo bokikely ireo?
8 Mila mihaino an’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao ny olona raha te hiaina mandrakizay. (Isaia 55:3) Irin’i Jehovah hianatra ny fomba hanaovana izany “ny karazan’olona rehetra”, anisan’izany ireo tsy mahay mamaky teny. (1 Tim. 2:3, 4) Faly àry isika fa afaka mampiasa ireo bokikely ireo mba hampianarana ny olona hihaino an’Andriamanitra.
[Efajoro, pejy 3]
Fomba Fanolorana Azy Ireo
Asehoy ny pejy 2-3, ary milazà hoe: “Tianao ve raha toy izao ny fiainantsika? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Soratra Masina fa hanova ny tanintsika ho toerana mahafinaritra sy milamina Andriamanitra tsy ho ela. Tsy hisy intsony koa ny olona mahantra na marary. Izao anefa no tokony hataontsika raha te hahita an’izany. [Vakio ny Isaia 55:3, eo amin’ny pejy 3.] Lazainy eo fa mila ‘mankany’ amin’Andriamanitra sy ‘mihaino’ azy isika. Ahoana anefa no hanaovana an’izany?” Jereo ny pejy 4-5 ary iaraho midinika ny valin’izany. Raha tsy manam-potoana izy, dia apetraho fotsiny ilay bokikely ary manaova fotoana aminy mba hamaliana izany.