FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb17 Martsa p. 5
  • Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Mihainoa An’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Mihainoa An’Andriamanitra?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio ny Hafa mba Hihaino An’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Fitaovana Vaovao Iray Hanampiana ny Olona mba Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andria
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ampiasao Ilay Boky sy Bokikely hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
mwb17 Martsa p. 5

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Mihainoa An’Andriamanitra?

Mihainoa An’Andriamanitra

Miresaka an’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra. Natao hampianarana olona tsy dia mahay mamaky teny izy io. Pejy roa ny lesona tsirairay ary feno sary. Misy marika eo amin’ireo sary manondro hoe iza no sary tokony hodinihina manaraka.

Ireo sary ao amin’ny Mihainoa An’Andriamanitra ihany no ao amin’ilay hoe Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Be soratra kokoa anefa izy io, ka azo ampianarana olona mahay mamaky teny kokoa. Mpitory maro no tia mampiasa azy io, na dia mampiasa Mihainoa An’Andriamanitra aza ny olona ampianariny. Betsaka ny pejy misy efajoro ahitana fanazavana fanampiny. Azo iaraha-midinika amin’ilay mpianatra izy ireny, arakaraka ny fahaizany.

Anabavy mampiasa ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, ary ilay mpianany kosa mampiasa an’ilay bokikely Mihainoa An’Andriamanitra

Azo atolotra foana ny iray amin’ireo bokikely ireo, na dia tsy zavatra atolotra amin’ny volana aza. Ampiasao ny sary rehefa mampianatra, mba hanazavana ny tantara ao amin’ny Baiboly. Mametraha fanontaniana mba ho afaka handray anjara ilay mpianatra. Ho hita koa amin’izay raha azony ny fianarana. Vakio sy hazavao ny andinin-teny eo amin’ny faran’ny pejy. Rehefa vita ilay bokikely, dia ampiasao indray ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? Hanampy an’ilay mpianatra handroso ho amin’ny batisa izany.

Lesona momba an’i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena ao amin’ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara