FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/12 p. 4
  • Fomba Fitory Modely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fitory Modely
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 11/12 p. 4

Fomba Fitory Modely

Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Desambra

“Tiantsika raha olona mahay mitantana no mitondra ny firenena. Araka ny hevitrao, fitondrana manao ahoana no tena afaka mamaha ny olana mahazo antsika? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity e!” Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra, ary iaraho midinika ny fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy 16. Mamakia andininy iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba hamaliana ny fanontaniana manaraka.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra

“Raha ianao no afaka manontany an’Andriamanitra, dia inona no anontanianao azy? [Avelao izy hamaly.] Nampirisihin’i Jesosy isika mba hanontany izay fanontaniana tiantsika ho fantatra. [Vakio ny Matio 7:7.] Resahina ato amin’ity gazety ity ny hevitry ny Baiboly momba an’ireto fanontaniana telo lehibe ireto.” Asehoy azy ireo fanontaniana telo ao amin’ny faran’ny pejy 3.

Mifohaza! Novambra

“Lasa be dia be izao ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny. Araka ny hevitrao, betsaka kokoa ve ny olana atrehin’izy ireny raha oharina amin’ny tokantrano misy ray sy reny? [Avelao izy hamaly.] Maro ny ray aman-dreny nahita fa tena tsara ny torohevitry ny Baiboly. [Vakio ny 2 Timoty 3:16.] Misy soso-kevitra hanampy ny ray na reny tokan-tena hanao tsara ny andraikiny ato amin’ity gazety ity.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara