Ampiasao ny JW.ORG Rehefa Manompo: “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly”
Misy hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” ao amin’ny jw.org, ao amin’ilay fizarana hoe “Fampianaran’ny Baiboly.” Tokony ho fantatsika tsara hoe inona avy ireo fanontaniana valiana ao. Azontsika aseho amin’ny olona ilay izy amin’izay raha misy manontany. Azo atao fampidiran-dresaka koa ireny fanontaniana ireny. Afaka mifidy izay fanontaniana mahaliana ny olona isika, manontany ny heviny, ary mampiasa ny fanazavana ao amin’ny jw.org mba hiresahana an’izay lazain’ny Baiboly. Azontsika resahina na aseho aminy avy eo hoe taiza no nahitantsika an’ilay fanazavana, na izy mihitsy no asaina mamaky ny valiny ao amin’ilay tranonkala. Izao ny fampidiran-dresaky ny anabavy iray, vadina mpiandraikitra mpitety faritany: “Betsaka ny olona mieritreritra hoe ‘Andriamanitra ve no mahatonga antsika hijaly?’ Ao anatin’ny 51 segondra monja ianao dia hahalala ny valiny, raha tianao.” Efa nataony tao anaty telefaonina ny valin’ilay fanontaniana, ary ampihainoany an’ilay olona. Asehony azy avy eo ny toko 11 amin’ny boky Ampianarina. Nahita vokatra tsara izy!