Ampiasao Hanampiana Olona Mampiasa Fiteny Hafa ny Tranonkalantsika
Asehoy azy ny tranonkalantsika: Atoroy azy ny fomba ampiasana an’ilay hoe “Fiteny” mba hisehoan’ilay tranonkala amin’ny fiteniny. (Ampahany sasany amin’ilay tranonkala ihany no miseho ho an’ny fiteny sasany.)
Asehoy azy ny pejy iray amin’ny fiteniny: Manokafa pejy iray ahitana ny bokintsika toy ny boky Ampianarina na ny taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina. Fidio izay fitenin’ilay olona, eo amin’ilay hoe “Hamaky Amin’ny Teny.”
Asaivo mihaino lahatsoratra noraisim-peo izy: Mitadiava lahatsoratra noraisim-peo amin’ny fitenin’ilay olona ary ampihainoy azy izany. Raha mianatra teny vahiny ianao, dia mihainoa lahatsoratra noraisim-peo amin’ilay fiteny sady araho ilay vakiteny.—Tsindrio ny “Zavatra Misy/Boky sy Bokikely” na “Zavatra Misy/Gazety.”
Mitoria amin’ny marenina: Raha mahita marenina ianao, dia afaka mampiseho video ahitana boky, bokikely, taratasy mivalona, na toko iray ao amin’ny Baiboly, amin’ny tenin’ny tanana.—Tsindrio ny “Zavatra Misy/Tenin’ny Tanana.”
[Kisary, pejy 6]
(Jereo ny fanompoana)
Andramo Ilay Izy
1 Tsindrio ny ▸ mba hihainoana an’ilay lahatsoratra (raha misy amin’ny fiteninao ilay rakitra) na tsindrio eo amin’izay karazana rakitra tianao hakana azy.
2 Mifidiana fiteny ao amin’ilay hoe “Hamaky Amin’ny Teny” raha te hijery an’ilay lahatsoratra amin’ny teny hafa ianao.
3 Tsindrio ny “Manaraka” na ny lohateny iray eo amin’ilay hoe “Loha Hevitra” raha te hamaky lahatsoratra hafa na toko hafa ianao.