Ampiasao eny Amin’ny Fanompoana ny Tranonkalantsika
Ampirisiho hampiasa azy io ny olona: Misy olona misalasala ny hiresaka amintsika na ny handray ny boky sy ny gazetintsika, nefa vonona ny handalina momba ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tranony rehefa mijery ny jw.org. Resaho amin’ny hafa àry ny momba an’ilay tranonkala isaky ny afaka manao izany ianao.
Mamaly fanontaniana: Mety hisy olona liana na olom-pantatsika hanontany momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zavatra inoantsika. Asehoy avy hatrany ny valiny ka mampiasà ordinatera na fitaovana entin-tanana hafa. Tsara kokoa indraindray raha vakina ao amin’ny Baiboly ireo andinin-teny. Raha tsy manana Internet eo no ho eo ianao dia hazavao amin’ilay olona hoe ahoana no ahitany irery ny valiny ao amin’ny jw.org.—Tsindrio ny “Fampianaran’ny Baiboly/Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” na ny “Momba Anay/Fanontaniana Fametraky ny Olona.”
Andefaso lahatsoratra na boky na gazety ny olom-pantatrao: Azonao alefa e-mail ny rakitra PDF sy EPUB nalainao tao amin’ny tranonkalantsika. Azo atao koa ny maka zavatra noraisim-peo ary mamindra an’izany ao anaty CD. Raha maka gazety na boky na bokikely manontolo ao amin’ny Internet ianao ary manome izany ho an’ny olona tsy vita batisa, dia azonao ampidirina ao amin’ny tatitra isam-bolana ilay izy. Tokony haseho foana ny anaran’ny mpandefa ary tsy azo atao ny mandefa boky sy gazety be dia be indray miaraka. Tsy azo atao koa ny mampiditra azy ireny any amin’ny tranonkala hafa.—Tsindrio ny “Zavatra Misy.”
Asehoy ny vaovao farany momba ny Vavolombelon’i Jehovah: Hanampy ny mpianatra Baiboly sy ny olona tsidihintsika izany mba hankasitraka ny fitomboan’ny asantsika maneran-tany sy ny firaisan-tsaina eo amintsika. (Sal. 133:1)—Tsindrio ny “Vaovao.”
[Kisary, pejy 5]
(Jereo ny fanompoana)
Andramo Ilay Izy
1 Mankanesa ao amin’ny “Zavatra Misy” ary tadiavo izay zavatra tianao halaina. Tsindrio avy eo izay karazana rakitra tianao hakana azy.
2 Tsindrio ilay hoe MP3 mba hahitana ny lahatsoratra tsirairay. Tsindrio ny lohatenin’ilay lahatsoratra raha tianao halaina ilay izy na tsindrio ny ▸ raha tianao hohenoina ilay izy.
3 Mifidiana fiteny avy ao amin’io lisitra io raha te haka zavatra amin’ny fiteny hafa ianao.