Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Febroary
“Maro ny olona mieritreritra hoe ny Devoly no mahatonga an’izao zava-dratsy hitantsika eran-tany izao. Lasa saina àry izy ireo hoe: ‘Fa ahoana marina no nampisy ny Devoly? Andriamanitra ve no namorona azy?’ Ahoana no hamalianao an’izany fanontaniana izany? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ny voalaza eto e!” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Febroary. Iaraho midinika ny fehintsoratra voalohany sy ilay andinin-teny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary
“Olona niavaka i Mosesy amin’ny Kristianina sy ny Jiosy ary ny Silamo. Mino aho fa fantatrao i Mosesy. Inona no tadidinao momba azy? [Avelao izy hamaly.] Marina fa tantarain’ny Baiboly hoe nisy fahadisoana nataony, nefa izao koa no voalaza ao momba azy. [Vakio ny Deoteronomia 34:10-12.] Miresaka toetra tsara telo nananany ity gazety ity, ary manazava hoe ahoana no hanahafantsika azy.”
Mifohaza! Febroary
“Fanaon’ny olona izao ny mifindra any andafy satria te hanana fiainana tsara kokoa. Lasa tsara tokoa ve ny fiainany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Tsy vao izao no nisy olona nifindra monina. Jereo ange ity voaresaka ato amin’ny boky voalohany amin’ny Baiboly ity e! [Vakio ny Genesisy 46:5, 6.] Valiana ato amin’ity gazety ity ireto fanontaniana ireto.” Vakio ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ny pejy 6.