Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Martsa
“Araka ny hevitrao, manana vahoaka voalamina tsara ve Andriamanitra? Sa izy tsy manana vahoaka, fa olona tsirairay no ifandraisany mivantana? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity fa efa nanana vahoaka voalamina tsara foana izy hatrizay.” Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary, ary diniho ireo fehintsoratra eo ambanin’ny fanontaniana voalohany, eo amin’ny pejy 26. Mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory ireo gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary
“Miteraka resa-be any amin’ny tany sasany ilay ady atao hoe Hara-magedona. Araka ny hevitrao, vitan’ny olona ve ny hanakana azy io tsy hitranga? [Avelao izy hamaly.] Ato amin’ity andininy ity no misy an’io teny io. [Vakio ny Apokalypsy 16:16, ary asehoy ny fonon’ilay gazety.] Resahin’ity gazety ity izay lazain’ny Baiboly momba ireo fanontaniana ireo.”
Mifohaza! Febroary
“Maro no tia mifampiresaka amin’ny alalan’ny Internet. Mampiasa an’ilay hoe tranonkala fifaneraserana izy ireo. Mety hisy vokany ratsy ve izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Misy torohevitra afaka miaro antsika ao amin’ny Baiboly. [Asehoy ny pejy 6-9 amin’ilay gazety. Resaho ny iray amin’ireo fanontaniana, ary mamakia andinin-teny iray.] Lazain’ity gazety ity hoe inona no mety hitranga raha mampiasa tranonkala fifaneraserana isika, ary ahoana no hisorohana izany.”