FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb16 Martsa p. 2
  • Raiso Tsara Izay Rehetra Tonga

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raiso Tsara Izay Rehetra Tonga
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Raiso Tsara Izy Ireo!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Hisy Fitoriana Lehibe Amin’io
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Ampio Ireo Olona Manatrika ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Ataovy Izay Hahatsapan’izy Ireo fa Raisina Tsara Izy any Amin’ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
mwb16 Martsa p. 2

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Raiso Tsara Izay Rehetra Tonga

Manantena isika fa hisy 12 tapitrisa mahery ny vahiny ho tonga hanatrika Fahatsiarovana amin’ny 23 Martsa. Hahazo fanazavana tsara izy ireo rehefa hiresaka momba ny vidim-panavotana nataon’i Jehovah ilay mpandahateny, ary hanazava ny fitahiana ho azon’ny olona amin’ny hoavy. (Is 11:6-9; 35:5, 6; 65:21-23; Jn 3:16) Tsy ny mpandahateny ihany anefa no afaka manampy an’ireo vahiny. Afaka manao ny anjarantsika koa isika rehetra, ka mandray tsara an’izay tonga. (Ro 15:7) Ireto misy soso-kevitra:

Rahalahy iray, miarahaba tonga soa lehilahy tonga hanatrika Fahatsiarovana. Rahalahy iray mampiseho ny Baiboliny amin’ny olona vaovao
  • Aza mipetraka fotsiny mandra-panomboky ny fandaharana, fa mandehana manatona an’izay vahiny vao tonga, na ireo olona tsy mitory intsony. Mitsikia ary arahabao tsara izy ireo

  • Azo inoana fa tena horaisinao tsara ny olona nasainao manokana, kanefa jereo koa ireo vahiny mety hoe tonga fotsiny satria nahazo fanasana. Asao ny olona vaovao mba hiara-mipetraka aminao, ary ampindramo Baiboly sy fihirana

  • Rehefa mirava dia manatòna an’ireo vahiny, amin’izay izy tsy misalasala raha misy tiany hanontaniana. Raha tsy tena afaka miresaka ianareo satria mbola misy fiangonana hampiasa an’ilay efitrano, dia manaova fotoana mba hitsidihana azy haingana. Raha tsy anananao ny adiresiny na ny nomeraony, dia afaka miteny ianao hoe: “Mba tiako ho fantatra hoe ahoana ny fahitanao an’ilay fandaharana teo? Mety ve raha mba mankany aminareo aho na mitelefaonina anao?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara