FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/13 p. 4
  • Fomba Fitory Modely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fitory Modely
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 6/13 p. 4

Fomba Fitory Modely

Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Jolay

“Te ho ela velona sy ho sambatra daholo ny olona. Araka ny hevitrao, mety hanampy ny olona hiaina mandrakizay ve ny siansa sy ny fitsaboana indray andro any? [Avelao izy hamaly.] Mariho ange ny voalaza eto e!” Asehoy ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Jolay. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany, ary mamakia andininy iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.

Fanamarihana: Tokony hatao fampisehoana amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ny 6 Jolay izy ity.

Ny Tilikambo Fiambenana 1Jolay

“Maro tamin’ny olona niresahanay no nilaza fa efa manana ny fivavahany. Ny sasany indray milaza fa tsy matoky fivavahana intsony. Ary ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho ity tenin’i Jesosy ity, fa hanampy anao rehefa handinika fivavahana iray ianao. [Vakio ny Lioka 6:44a.] Hazavaina ato amin’ity gazety ity ny sasany amin’ny voa ratsy vokarin’ny fivavahana. Valiana ato koa hoe misy fivavahana azo itokisana ihany ve?”

Mifohaza! Jolay

“Mampiady saina ny olona ny tsy rariny. Mitokona ny olona sasany mba hitakiana ny rariny. Heverinao ve fa hitondra vahaolana ny fitokonana? [Avelao izy hamaly.] Mariho hoe inona no lazain’ny Baiboly fa tena hanova ny fiainana eto an-tany. [Vakio ny Matio 6:9, 10.] Valiana ato amin’ity gazety ity hoe vahaolana ve ny mitokona?”

Vaovao Tsara Natao ho Anao!

“Miresaka hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly amin’ny olona rehetra izahay. Maro amin’ny olona niresahanay no manontany tena hoe nahoana no mamela antsika hijaly be Andriamanitra nefa izy be fitiavana. Araka ny hevitrao, efa fikasany tamin’izy vao namorona ny tany ve ny hijaliantsika?” Avelao izy hamaly. Jereo avy eo ny lesona faha-5, ary vakio sy iaraho midinika ny fehintsoratra roa voalohany sy ireo andinin-teny natao sora-mandry. Atolory ilay bokikely ary manaova fotoana handinihana an’ilay fanontaniana manaraka amin’ny sora-matevina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara